Webradio

MAHAJANGA : Nidina kely tsy tahaka ny mahazatra ny vidin’ny hazan-dranomasina

18 000 Ariary ny kilaon’ny makamba amidin’ireo mpivarotra mandehandeha eny Amborovy.  15 000 Ariary kosa ny kilaon’ny makamba eny an-tsena.  2 septembre 2020

Nidina kely ny vidin’ity hazan-dranomasina ity raha mitaha amin’ny andavanandro. 20 000 Ariary mantsy ny kilao andavanandro.  

Nidina be kosa raha ampitahaina amin’ny vaninandron’ny fialan-tsasatra lehibe tahaka izao  satria mahatratra 30 000 Ariary ny kilao isan-taona, amin’ny volana jolay sy aogositra ary septambra tahaka izao. Ny filao lehibe koa dia nahitam-pidinana ka 8000 Ariary ny kilao ankehitriny raha 10 000 Ariary izany teo aloha. Ny filao kelikely kosa dia 4000 Ariary ny kilao. 

Ny karapapaka sy filao madinika moa dia amidy amin’ny toko ka 1000 Ariary dia mahazo. Ankoatra ireo mpanao dalaly filao eny Amborovy dia ahitana mpivarotra hazan-dranomasina tontolo andro ao amin’ny bazary Mahabibo. Misy mivarotra tontolo andro koa eo amin’ny bazary Amboaboaka. Mitaraina ireo mpivarotra sasany fa tsy mandeha mihitsy ny tsena. Misy kosa milaza fa mandeha ihany na dia nihena aza ny vokatra lafo. Ireo mpiala sasatra eto Mahajanga no tena mpanjifa ny hazan-dranomasina ka mampiakatra be ny vidiny. 

Ny mponina kosa dia eo ho eo ihany ny fanjifany ary nanampy trotraka ny hamehana ara-pahasalamana, ka mihena ny fanjifan’ny mponina. Zara raha mahalafo 2 na 3 kilao isan’andro, hoy ny mpivarotra ao bazary Mahabibo. Ireo mpanatitra amin’ny trano fisakafoanana kosa no tena very tsena satria tena zara raha mividy izy ireo, hoy hatrany ireo mpivarotra izay efa maika ny hahataperan’ity fahamehana ara-pahasalamana ity, hiverenana amin’ny fiainana andavanandro.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés