Webradio

RODOBEN’NY MPANOHITRA : Mitady ny fomba rehetra hanakanana asa fampandrosoana

Manao ny ezaka rehetra hampandrosoana ny Firenena, indrindra mba hampandrosoana ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa ny Fitondram-panjakana, ankehitriny.  10 septembre 2020

Ankilany anefa tsy mba mahita ny lafitsaran’izany ny Rodoben’ny Mpanohitra, na hatramin’ireo tosika ara-tsosialy omen’ny Fanjakana hoentin’ny isan-tokantrano miatrika izao valanaretina izao dia ambaran’izy ireo ho tsy mety. Porofo mitohoka amin’ny tenda izany fa diso tanteraka ny filazan’ireo mpanohitra fa fanoherana misy heviny no ataon’izy ireo. 

Hita mazava izao fa fanoherana mifototra amin’ny fankahalana sy alahelo seza. Hita fa mitady ny fomba rehetra hanakanana ny asa fampandrosoana izay katsahin’ny Filoha Andry Rajoelina ireo mpanohitra. 

Raha iverenana dia fanamby nataon’ny Filoha ny fampihenana ny isan’ny Loholona ho lasa 18 raha toa ka 63 izany ankehitriny. Volam-panjakana mihoa-pampana no lanin’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieran-doholona ka nanapa-kevitra ny Filoha fa hahena izany ary ny vola tokony hozaraina ho an’ireo senatera dia avadika hoenti-manana hananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Mitsipaka izany marin-drano anefa ny Rodoben’ny Mpanohitra. Ho azy ireo dia aleo hatao karaman’ny Loholona ny volam-panjakana toy izay hositrahan’ny vahoaka. Nambaran’ny filoha lefitry ny RMDM avy any amin’ny Faritanin’i Toliara mantsy fa tsy ara-dalàna io fampihenana ny isan’ny Loholona ho 18 io satria tsy mifandraika amin’ny fampandrosoana isam-paritra akory.

Vao mainka mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny tanjon’ny Fitondram-panjakana dia ny hahafahana manao asa fampandrosoana mipaka eny anivon’ny Faritra. Atahoran’ireo mpanohitra mafy ny hahavitan’ny Filoha Andry Rajoelina an’ireo fampanantenana rehetra nataony, izay hitarika ny fiverenany eo amin’ny Fitondrana indray ho an’ny dimy taona manaraka.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés