Webradio

KOLONTSAINA MALAGASY : Mamolavola olona ho lasa mpanentana i Rado mpikabary

Rakotonirina Rado na fantatry ny maro amin’ny hoe Rado mpikabary mpanentana havozo, eo amin’ny tontolon’ny literatiora am-bava, na ny kabary no hita eto amin’ny sary. Efa ho folo taona nikabariana ny lehilahy. 14 septembre 2020

Nivoaka tao amin’ny andiany Tsimiamboalahy, an’ny Havozomanitra ary valo taona nampianarana izany ao amin’ny Havozo ihany i Rado mpikabary. Mpanentana amin’ny lanonana rehetra ihany ary mampiofana sy mamolavola olona maro ho lasa mpanentana amin’ny lanonana, tsy voatery ho mpikabary io fa na olon-tsotra aza ka tia manao izany fanentanana izany dia vonona izy. «  Tsy mifidy tany hikabariana aho fa mandeha foana n’aiza n’aiza, araka izany, amin’ny kabary am-panambadiana sy ny lanonana rehetra eny na dia kabarim-panjakana aza. Fa ao ihany koa ny kabary an-karatsiana rehetra, izay matetika misy maka ahy hanao izany. Ho fanandratana sy famerenana ny kolontsaina malagasy, hitondra teny ho an’ny olon-drehetra mila izany na ho an’ny fianakaviana na ho an’ny fiarahamonina, indrindra ho an’ny firenena  », araka ny nambarany.

Manana tanjona

Ny hamerina indray ny hasin’ny teny malagasy, fitarihana sy fampianarana ireo ankizy, tanora, indrindra ireo olon-dehibe hahafantatra tanteraka ny tantara sy ny fomba izay misy eto Madagasikara no tanjon’i Rado mpikabary. Marihina fa valo taona mahery teo koa izay no nanoratany tononkalo. «  Ataon’ny sasany kilalao ny kabary ankehitriny, misy manandrankandrana sy manao tsinontsinona ilay fahendrena malagasy, tsy manaja ny fomba sy drafitra tokony harahina fa manao vavabe, izay manimba sy mandoto ilay kolontsaina tena mamy...Maro ny tanora miverina manandratra sy mikolo ary miezaka mijoro amin’ny fanandratana ny maha Malagasy fa vao miana-mamindra izy ireo ka tokony hampiana sy hatosika hatrany  », hoy i Rado mpikabary, nanazava ny fahitany ny kabary ankehitriny sy ny vahaolana amin’izany. 

Eny amin’ny sekoly lisea tsy miankina Lahatra eny Soamanandrariny, isaky ny asabotsy hariva sy ny alahady ny toerana ampianarany kabary. Afaka mifandray aminy ihany koa ao amin’ny pejy “facebook” Rado mpikabary mpanentana havozo. Ny kabary feno fanentanana, mampifaly, izay tena mahaliana ny olona ankehitriny no tena mampiavaka azy... Kanefa manaraka hatrany ny drafitry ny kabary.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés