Zaraina roa samy hahaleo tena ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany raha toa ka nitambatra iray, Vatovavy Fitovinany, izany teo aloha. Efa nisy ny fihaonana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ireo olobe avy any an-toerana, izay noentina namaritana an’io fanovana io.
Ny faran’ny herinandro teo dia nanao fanambaràna iombonana ihany koa ireo Ampanjaka avy any an-toerana. Izy ireo izay nankasitraka feno an’ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoham-pirenena ity. Mariky ny fampandrosoana ny Faritra isany avy izany, hoy izy ireo, ary ho tombontsoa ambonin’ireo vahoaka ao aminy ihany koa. Nandritra io fanambaràna io notsofiny rano ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony, izay mitantana ny Faritra tsirairay avy mba samy hahatanteraka izay asa fampandrosoana ankinina amin’izy ireo tsirairay avy.
Anisany tena andrandrain’ireo vahoaka ao Vatovavy sy Fitovinany amin’izao fivakisan’ny Faritra izao ny fampandrosoana tena izy, noho ny Faritra izay manan-karena eo amin’ny sehatry ny vokatra fanondrana mankany ivelany. Ireo tompon’andraikitra isan-tokony kosa dia maniry ny hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Avotra Isaorana