Webradio

BAREAN’I MADAGASIKARA : Noesorina tsy ho mpandrindra i Sylvain Razafinirina

Nitaky ny handoavana ireo mbola tsy voaloa tamin’ny faktioran’ny ekipa nasionaly malagasy, barean’i Madagasikara nandritra ny CAN 2019 no nanesorana an’i Sylvain Razafinirina tsy ho “coordinateur” na “intendant” ny ekipa nasionaly malagasy intsony.  14 septembre 2020

Mahatratra 30 000 euros ireo faktiora ireo ka misy hofan-trano fandraisam-bahiny, misy hofana fiara VTC, misy karaman’ny dokotera mijery ireo mpilalao, saran’ny fitsirihana (analyse) isan-karazany... Rehefa nilaza tamin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra na FMF ny fisian’ireo faktiora mbola tsy voaloa ireo i Sylvain Razafinirina dia nanambara izy ireo fa tsy manam-bola handoavana izany. Matetika anefa dia “prestataires" mitovy ihany ny an’ny ekipa nasionaly afrikanina maromaro... 

Efa nahaloa ny azy avokoa ireo Firenena hafa nandray anjara tamin’iny CAN 2019. Isika Malagasy kosa dia lasa fihomehezana. Mba hiarovana ny voninahitr’i Madagasikara, izay efa nentin’ireo barea ambony nandritra ny CAN farany teo, dia nanatona ireo Malagasy miasa ao amin’ny CAF i Sylvain Razafinirina hijerena ny fomba handoavana ireo faktiora ireo... Fantatra mantsy fa hahazo fanampiana na “subvention” mitentina 500 000 USD eo ny federasiona. Izay no nahatonga ny fivoriana "maika" ny alarobia teo, hoy ny loharanom-baovao, fivoriana nanesorana an’i Sylvain tsy ho ny “coordinateur” an’ny ekipa nasionaly malagasy intsony. 

Tsy fantatra hoe iza daholo no nanatrika io ’fivoriana maika’ io satria ny filohan’ny federasiona nasionalin’ny lalao baolina kitra dia fantatra fa mandositra noho ny fanenjehana azy eto Madagasikara noho ny fanadihadiana mikasika ny fanodinkondinam-bola tao amin’ny Cnaps. Misy mpikambana ao amin’ny birao mpanatanteraky ny FMF ihany koa milaza fa tsy nanatrika izany fivoriana izany… Raha tsiahivina dia ny taona 2007 no nalain’i Ahmad Ahmad, izay filohan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra tamin’izany ho mpandrindra  ny ekipa malagasy i Sylvain Razafinirina. 

Niara-niasa tamin’ny mpanazatra  maromaro izy nandritra izany nanomboka tamin’i Arsène Malabary hatramin’i Nicolas Dupuis nandalo tamin’i Jean Paul Rabier, Mosa, Frank Rajaonarisamba sy Auguste Raux... Anisan’ireo nitady sy niantso ireo mpilalao baolina kitra manana ra malagasy milalao amin’ny ekipa hafa hamonjy ny ekipa nasionaly izy. Niezaka ihany koa ny ahafahan’ireo mpilalao amin’ny ekipa nasionaly ho voakarakara tsara toy ny ekipa nasionaly rehetra na amin’ny dia amin’ny fiaramanidina, na trano fandraisam-bahiny na fiara mpitatitra.. Toy izany koa ny fikarakarana rehetra. Nampiasany ny tambazotra nananany mba hahafahantsika manana ekipa nasionaly mendrika izany anarana izany... 

Raha matory amin’ny seranam-piaramanidina, na amin’ny trano tsizarizary araka ny notantarain’i Rakapy Faneva Ima ireo mpilalaon’ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha dia nisy fiovana izany noho ny ezaky ny mpandrindra... Noho ny lahasan’ireo ekipa mpikarakara tany ivelany dia nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara ireo mpilalao ao amin’ny ekipa nasionaly, nandritra ny CAN 2019 teo. 

Lasa reharehan’ny Malagasy. Ankehitriny anefa dia miverina indray ny fomba ratsin’ireo mpitantana ny fanatanjahantena Malagasy izay vato misakana ny firoborobon’ny atleta sy ekipa malagasy amin’ny fitantanana tsy manjary, fanodinkodinam-bola sy kiantranoantrano izay efa mampitaraina ireo mpilalao amin’ny federasiona maromaro... Tsy tafakatra mihitsy ny ekipa nasionaly nefa mamiratra ireo atleta malagasy rehefa milalao any ivelany. 

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés