Tontosa soa aman-tsara tao anatin’ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana izany ary saika nilamina avokoa ny fanatanterahan’ireo mpiadina ny fanadinana manerana ny Nosy.
Namarana izay fiatrehana ny fanadinam-panjakana voalohany izay ireo mpianatra ho an’ny Faritanin’i Toamasina sy Toliara. Miisa 521 899 ireo mpianatra niatrika izany, omaly. Nahitana mpiadina miisa 86 386 ho an’ny Faritanin’i Toamasina, izay nitsinjara tamina Faritra miisa telo dia ny Faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary ny Faritra Analanjirofo. Nisy 43 236 kosa ireo mpiadina ho an’ny Faritanin’i Toliara izay mizara amina Faritra miisa efatra, dia ny Faritra Atsimo Andrefana, Anôsy, Androy ary Menabe. Tamin’ny ankapobeny dia nizotra tamim-pilaminana tanteraka ny fanadinana.
Efa saika nivonona tamin’izay fiatrehana ny fanadinana izay avokoa ireo mpiadina, izy ireo izay nilaza ho nahazo tombony satria nanana fotoana lava nanomanana raha mitaha amin’ireo mpianatra tany amin’ny Faritra hafa. Noho ny fiatrehana ny valanaretina « Covid-19 » izay niteraka fikorontanana teo amin’ny lafiny fampianarana izay tsy teto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany dia nozarazaraina ny daty nanatanterahan’ireo mpianatra amin’ny kilasy fahafito an’izay fanadinam-panjakana Cepe izay. Antony, raha ny fanazavan’ny Filoha, dia noho ny tsy fitovian’ny fandaharam-pianarana vitan’ireo mpianatra isam-paritra. Raha tsiahivina dia nanomboka tamin’ny voalohan’ny septambra lasa teo no nandeha ny fanadinana voalohany, izay nosantarin’ireo mpianatra teto amin’ny Faritanin’Antananarivo sy Antsiranana. Ny 8 septambra kosa ny andiany faharoa ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary farany omaly, ny Faritanin’i Toamasina sy Toliara. Fanamby napetraky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny hanafainganana ny famoahana ny voka-panadinana. Betsaka tamin’ireo Faritra efa nahavita izany no efa nivaly.
Ny Ami