Tsy nasian’izy ireo tohiny aloha hatreho ilay fangatahana ireo tombontsoany izay nimatimatesany teo aloha fa niompana tamin’ny antso vonjy amin’ny Fitondrana manoloana ireo olana misy eny anivon’ny Oniversite ilay fangatahana nataon’izy ireo. Nampahatsiahy ny Fitondram-panjakana ireo mpampianatra mpikaroka amin’ny fisian’ny olana ara-tany eo anivon’ny Oniversiten’i Toliara ; tsy any ihany fa manerana an’ireo Oniversite hafa manarena ny Nosy ary eny anivon’ireo foibem-pikarohana nasionaly manerana ny Nosy.
Ankoatra izay dia nasian’izy ireo teny nandritra ity fanambaràna ity ihany koa ny zava-niseho tany amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Ny 10 septambra lasa teo dia nisy hain-trano goavana niseho tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra. Nankahery ireo mpianatra traboina ny Seces ary nambaran’izy ireo fa fatiantoka lehibe ho an’ny Oniversite sy mpianatra iray manontolo izany. Manoloana ireo olana rehetra ireo dia manainga ny Mpitondra mahefa mba hitondra vahaolana azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra ny Seces sampana Antananarivo.
Avotra Isaorana