Webradio

ZAVAKANTO : Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Ramahafadrahona

 Misaona indray ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Omaly alatsinainy 21 septambra 2020 no nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany ny mpanakanto andrarezina Ramahafadrahona na Rakotomahafadrahona Alphonse. 22 septembre 2020

Tao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona izy no nindaosin’ny fahafatesana. Ankoatra ny maha mpanakanto azy izay tena nahafantaran’ny maro azy dia mpanentana fandaharana tao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy ihany koa ny lehilahy. Mpikambana sy mpandray fisotroan-dronono ao amin’ny OMDA ihany koa izy. 

Mpanakanto zokiny, nanana ny nampiavaka azy tokoa tamin’ny tontolon’ny hira manandratra ny maha malagasy sy ny hira gasy. Mora raisina ny tononkira izay noforoniny ary matetika dia arahiny hatsikana hatrany izany eny an-tsehatra mba hamalifaliany ny mpankafy azy. Anisan’ireo hira nahafantaran’ny maro azy, ohatra, ny “Bakomanga", "Ity semboko ity", "Raozy Maria". 

Raha tsiahivina kely, mbola vao amam-bolana vitsy no nandao ny tany ihany koa i Bakomanga, ilay mpanakanto vehivavy mpanao vakodrazana anisany novolavolainy sy notezainy teo anatin’ny sehatry ny kanto malagasy. Izahay eto amin’ny gazety “Ino vaovao Faritra“ dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny mpanakanto iray manontolo. 

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés