Webradio

ZAVAKANTO : “ Tanjona ny ho lasa matihanina amin’ny Dihy ” hoy Tantely Rajaobelina

Ny fijerena horonantsary miresaka dihy sy ny talenta ao anaty miampy fifampikasohana ary ny fanampian’ny namana no nampivoatra ny fahaizany, raha ny fanazavan-dRajaobelina Tantely Fitiavana Marcella hita eto amin’ny sary.  22 septembre 2020

Nohamafisiny fa “fianarana foana ny fiainana ary hiezaka hatrany aho hampitombo ny talenta nomen’Andriamanitra, araka izay tratra, mba ho lasa matihanina tanteraka eo amin’ny tontolon’ny dihy… Na izany aza tsy hadinoina ny fifaneraserana fa tena anisany manokatra lalana tokoa izy io”, hoy i Tantely, nanazava ny vinavinany sy taratry ny ho aviny eo amin’ny tontolon’ny dihy sy ny fampivelarana izany.
Vao 15 taona monja, efa maro ny sehatra nandraisany anjara  : tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, Lapan’ny tanànan’Antananarivo, indrindra ireo karazana “festival” natrehiny… 

Eo am-piketrehana ny seho amin’ny fahadimy taonan’ny fikambanana misy azy izy, ankehitriny. Miandry ny fepetra sy lamina apetraky ny Fanjakana noho ny hamehana ara-pahasalamana sisa.

Niditra anatin’ny fianarana dihy tao amin’ny Femal dancehall (Street I Dance, sns, ka i Belly SID no nampianatra azy), izay anisany nampivoatra an’i Tantely tamin’ny dihy, indrindra moa fa ny gadona “Dancehall”. Fantatra fa mpikambana ao amin’ny tarika Rabefidihy i Tantely Rajaobelina, ankehitriny. Ny hizara sy hampita ho an’ireo zandry aty aoriana, ny dihy eto an-tanindrazana no tanjony ary maniry ny ho lasa lavitra eo amin’ny tontolon’ny dihy no mba nofinofiny. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny tenany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny kanto malagasy.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés