Webradio

RAHARAHA FITSOAHANA NY FONJA : Nohenoin’ny Fampanoavana tao Morondava ny Depiote Leva

Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Jhonny Richard dia omaly no nohenoina teo anatrehan’ny Fampanoavana tao Morondava ny Solombavambahoakan’i Mahabo teo aloha, Depiote Leva na i Raveloson Ludovic. 22 septembre 2020

 «  Omaly izy no niseho teo anatrehan’ny Tonia mpampanoa lalàna amin’izay mety ho fiampangana hahazo azy na ihany koa fanatanterahana izay Fitsarana mety hiandry azy. Miandry ny vokatry ny Fitsarana isika hoe inona no nataon’ny Fitsarana ary inona ny tohiny ? », hoy ny Minisitra. Fantatra fa maromaro ireo raharaha mahavoasaringotra an’ity olom-boafidy teo aloha tao Mahabo ity. Anisan’izany, ohatra, ny fidirany amboletra tao anatina valan-javaboary arovana, izay voararan’ny lalàna, eto Madagasikara. Fitoriana miisa fito no nambara fa miandry azy ka nisy tamin’ireo raharaha ireo no efa nahazoany fahafahana vonjimaika.

Voalaza ihany koa fa nitazona basy tsy ara-dalàna ny tenany, ka izay no antony nampidirana am-ponja vonjimaika azy indray. Rehefa nanefa sazy tany am-ponja anefa izy dia tafatsoaka, ny volana febroary lasa teo. Nanomboka teo no nanaovana haza lambo an’ity Depioten’i Mahabo teo aloha ity izay niafara tamin’ny fanadihadiana ny vadiny izay nisolo toerana azy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Vao tamin’ny 17 septambra lasa teo no voasambotra tetsy Analakely Raveloson Ludovic ary avy hatrany dia nalefa nanaovana fanadihadiana tany Morondava, ka izao niakatra Fampanoavana izao. “Amin’ny raharaha tahaka izao sy amin’ireo raharam-pitsarana rehetra, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, dia manana ny fanapahan-keviny tanteraka ny Fampanoavana ny amin’izay didim-pitsarana raisiny”.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés