Webradio

FAHAVEREZAN-TSOLIKA : Tontosaina ao Taolagnaro ny fiofanana fiarovana ny ranomasina

Ho fikarohana sy fanatsarana ny momba ny paik’ady ifehezana ny fahaverezan’ny solika mavesatra an-dranomasina dia miatrika fiofanana mandritra ny 04 andro, amin’izao fotoana izao, ireo mpiantsehatra voakasik’izany ao Tolagnaro.  24 septembre 2020

Ny OLEP( Organe de Lutte contre l’Evenement de Pollution Marine) izay ratsamangaikan’ny Minisiteran’ ny Tontolo Iainana  sy ny Fampandrosoana Lovainjafy no tompomarika tamin’izany. Amin’ny maha tanàna voahodidina ranomasiana azy, izay manana harena anaty rano mampalaza azy ankoatra ny maha toerana mahasarika mpizaha tany azy dia nosafidiana manokana i Tolagnaro, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala. 

Isany antony nanatanterahana izany rahateo koa ny ho fiomanana sahady amin’ny firosoan’ny politikam-panjakana momba ny famadihana ny ranomasina ho rano azo sotroina. Ezahina hatrany ny fampivoarana miandalana ny lafiny tontolo iainana sy ny zava-boahary eto amintsika izay isany vinan’ny fanjakana mahefa mijoro ankehitriny.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés