Webradio

FANAMBOARANA FOTODRAFITRASA SAINTE MARIE : Naiditra am-ponja ireo mpiasa efa-dahy nangalatra

Taorian’ny fampiakarana Fampanoavana ny raharaha ny 22 septambra teo dia naiditra am-ponja vonjmaika ireo efa-dahy nangalatra fitaovana nanamboarana fotodrafitrasa goavana an’ny fitondram-panjakana tao Sainte Marie. 24 septembre 2020

Araka ny loharanom-baovao dia ny 29 aogositra 2020 lasa teo no nanomboka ny fotodrafitrasa fananganana tranon’ny Fitsaràna manara-penitra, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena ao Sainte Marie kasaina hovitaina ato ho ato. Nandritra ny fanatanterahana ny asa anefa dia fantatra nandritra ny fikarohana sy fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra fa ireo mpiasa tao ihany no manodinkodina sy nangalatra ireo fitaovana nampiasaina toy ny vy (fer 10) miisa 15. 

Tsy afa-niala ireto farany ary koa niaiky ny heloka vitan’izy ireo ka voasambotra tamin’izay fotoana izay rahateo koa ny naman’izy ireo anankiray nandray ny entana halatra. Tamin’ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana moa dia mbola nahitana vy miisa dimy tany amin’ ireto olona ireto. Efa any am-ponja izy efatra mirahalahy ireo amin’izao fotoana izao .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés