Webradio

ANTANIFOTSY AMBATONDRAZAKA : Nandravarava ny jiolahy, olona roa naratra voakapa antsy

Ankoatra ny firongatry ny trangana fakàna an-keriny ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka dia mitaraina ny mponina any an-toerana manoloana ny vaky trano miharo herisetra ataon’ireo jiolahy. 24 septembre 2020

Lasibatra ireo tranom-barotra goavana, sy tokantrano maromaro herinandro nifanesy izay. Raha ny tatitra voaray, nandravarava tao amin’ny tanànan’Antanifotsy ireo andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ny alatsinainy hifoha talata 22 septambra lasa teo iny. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nigadona ireo mpandroba ka nanampatra ny herisetra sy fampihorohoroana isan-tokantrano. 

Vokany, raim-pianakaviana iray sy vehivavy iray no naratra mafy nokapain’ireo  jiolahy tamin’ny antsy be. Nisy moa ireo mponina sasany no tonga dia nampandre avy hatrany mpitandro filaminana mba hijery ifotony ny zava-misy saingy naharitra ora maro vao tonga izy ireo . Soa fa tsy nisy ireo namoy ny ainy ary efa noentina notsaboina ireo naratra , fitaovan-tokatrano sy entana sarobidy ary vola tsy voafaritra isa kosa no lasan’ireo jiolahy nitsoaka . Hatreto, mbola tsy nisy tratra ireo olon-dratsy ireo ka ao anatin’ny fanohizana ny fikarohana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés