Webradio

ZOTRA NASIONALY : Mifandrirotra hevitra ny kaoperativa ny mpampiasa ny zotra nasionaly

Manoloana ny fandravana fotodrafitrasa tsy misy fifampiresahana sy fifampidinihana ao anatin’ny gare routière Aranta dia mitaky ireo mpampiasa ny zotra nasionaly ny hanehoana azy ireo ny taratasy nahazoan’ireo olona manamboatra manao izany.  24 septembre 2020

Ekenay ny fanatsarana ary arahinay ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana hoy ireo mpampiasa ny zotra nasionaly, saingy misy olana lehibe ao, dia ny ahiahin’izy ireo ny hahavery asa ireo  mpitana «  guichet  ». Manome 48 ora izy ireo ny 22 septambra teo hanaovana fifampidinihana hijerena ny vahaolana. Raha tsy misy ny fifampiresahana hatramin’ny androany dia hakatson’izy ireo mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana eto Mahajanga. 

Manana olona afaka mitantana ny gare routière Aranta, araka ny tokony ho izy izy ireo. Nambaran’izy ireo fa terena ampandalovina amin’ny gare routière ny razana ankehitriny ary akana vola 9 000Ariary. Misy mandalo eo ary adiny iray vao tafavoaka, ka ny olona efa nidonam-pahoriana mbola omena olana hafa ihany koa.
“Tsy mamotika box fa mitondra fanatsarana izahay hoy ireo koperativa. Fanatsarana no ataonay satria ny box dia natao hampiasain’ny koperativa tsirairay. Tsy nisy fanatsarana mihitsy hatrizay tsy manao fanorenana vaovao izahay fa manatsara ny efa misy”, hoy izy ireo. 

Zon’ny mpanjifa ny raisina amin’ny zavatra tsara ka nasiana ‘carreaux’ ny fanambanin’ny box iasanay. Nasiana lakile ihany koa ny varavarana tsy misy hidiny. Nolokoina ihany koa ny varavarana izay efa harefesina mba hiarovana azy. Efa nampahafantatra ny ambaratongam-pahefana tomponandraikitra manana fahefana feno amin’izany izahay amin’ny fanatsarana ataonay ary efa nahazo fankatoavana. Fanajana ny bokin’andraikitra hanome ny tolotra tsara indrindra homena ny mpanjifa.
Manao antso avo amin’ny tomlponandraikitra izy ireo hijerena ny marimaritra iraisana. Raha tsy misy izany dia hihenjana kokoa ny fitakiana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés