Webradio

FONJAN’I MAROFOTO : Efa miverina amin’ny laoniny ny famangiana ireo voafonja

Nihatona nanomboka tamin’ny 28 marsa teo ny famangiana ny voafonja noho  ny hamehana ara-pahasalamana.  24 septembre 2020

Na mbola tsy resy sy tsy lasa tanteraka aza ny valanaretina dia efa mihatsara ny toe-draharaha, hoy ny inspecteur Joachin tompon’andraikitry ny fonja, ary mahomby ny ady natao aminy, ka nanapa-kevitra ny fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ary nohalefahana ny fepetra noraisina mikasika ny fomba. Efa misokatra ny famangiana ireo voafonja nanomboka ny nanasoniavana ny naoty ka indroa isan-kerinandro sy ny alakamisy sy alahady no hanaovana izany. Manomboka ny 24 septambra ny eto Mahajanga. 

Misokatra ihany koa ny fanaovana fotoam-pivavahana any am-ponja. Na izany aza dia misy ireo fepetra tsy maintsy arahina ao anatiny sy ivelany, ka anatin’izany ny tsy maintsy anaovana arosora vava sy orona ny mpamangy rehetra. Tsy azo ampindramina izy io, ka samy manana ny azy. Ao koa ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony. 

Tsy maintsy hajaina ny elanelana iray metatra amin’ny mpamangy ary apetraka ho iray metatra sy sasany ny elanelana amin’ny mpamangy sy voafonja. Ankoatra izany dia tokony hisy foana ny karene famangiana. Manodidina ny 2000 eo ireo voafonja ao amin’ny fonjan’i Marofoto Mahajanga. Nambarany kosa fa tsy nisy tratry ny tsimok’aretina ‘covid-19’ ny voafonja tao amin’ny fonjan’i Boeny sy Betsiboka

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés