Webradio

COVID-19 ETO MADAGASIKARA : Niampy 31 ny tranga vaovao, tsy nisy ny namoy ny ainy

Niampy 31 indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 eto Madagasikara raha ny antontan’isa nambaran’ny Profesora Vololontiana Hanta, omaly. Olona 257 no nakana singa nahazoana io antotan’isa io.   24 septembre 2020

Nitsimbadika ho ny faritra Diana indray no ahitana trangan’aretina ambony indrindra satria tafakatra folo izany, omaly. Valo kosa no teto Analamanga, enina Alaotra Mangoro, dimy Vatovavy Fitovinany, iray Itasy ary iray ny tao Matsiatra Ambony. Mitotaly 20, ankoatra izay, ny tranga misy fahasarotana ary 48 ny isan’ny sitrana. Tao amin’ny faritra Diana hatrany no ambony indrindra ny isan’ny sitrana satria nahatratra 21 be izao izany ho an’ny omaly. 

15 koa ny sitrana tao Boeny, 6 Sava, 2 Vatovavy Fitovinany ary iray tao Matsiatra Ambony. Tsy nisy ny namoy ny ainy.

Mbola nanafatrafatra hatrany ny Profesora Vololontiana Hanta, omaly fa mbola mitoetra manerana an’i Madagasikara, indrindra any amin’ireo faritra ahitana trangan’aretina ambony ny fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana aron-tava, fisasana tanana amin’ny savony sy ireo fepetra hafa hiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina.

“Midina ny isan’ny olona voamarina, tsy nisy ny maty saingy tsy midika akory izany fa resintsika tanteraka na tsy mitoetra eto Madagasikara intsony ny covid-19. Tokony mbola hohamafisina hatrany ny fepetra rehetra. Mila mahatsapa tena ny rehetra amin’ny fanaovana aro vava sy orona mba ho tena fiarovana no ampiasana azy fa tsy fahazarana fotsiny”, hoy ny fanambarany.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés