Webradio

FIFANINANANA MAMORONA “ROBOT” : Miandrandra fandresena ny malagasy

Nampahafantarina, omaly tetsy amin’ny Nexta Andranomena, ny ezaka vitan’ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny fifaninanana “First Global Challenge 2020”, lalao olimpikan’ny robotika sy ny STEM.  30 septembre 2020

Raha tsiahivina, tamin’ny 27 aogositra lasa teo no nanomboka ny fifaninanana maneran-tany amin’ny famoronana “Robot” ary nifarana tamin’ny 25 septambra. Amin’ny 31 oktobra kosa no hamoahana ny valin’ny fifaninanana amin’ny fomba ofisialy. Natao tamin’ny alalan’ny horonan-tsary ampitain-davitra ny fifaninanana noho ny fisian’ny covid-19 ary tany amin’ny firenena nisy azy avy ireo mpifaninana no nampahafantatra ny asa famoronany. 

Araka ny tatitra omaly, fifaninanana 11 no tsy mbola vita fitsarana hatreto. Teo amin’ny laharana fahefatra no nisy an’i Madagasikara, amin’izao fotoana. Firenena telo sisa no eo alohantsika ary manantena ny handresy hatrany ny ekipa, araka ny nambaran’ny mpanazatra. Mitarika eo amin’ny laharana voalohany i Chili amin’izao fotoana. Manana isa 82 izy ary efatra no elanelany amin’i Madagasikara. “Tsy atao mahakivy io filaharana io, mbola velom-panantenana izahay hiroso hatrany satria mbola misy fifanintsanana miisa 11 mbola tsy voatsara. Ireo fifanintsanana tsy voatsara ireo dia natao tamin’ny ankizy efa nitambatra tao Maibahoaka. Mbola nisara-toerana ny ankizy dia efa nahazo vokatra tsara i Madagasikara, ka manantena izahay fa mbola ho tsara lavitra vokatra nanomboka tamin’ny fotoana niarahan’ny ankizy”, hoy ny fanambaran’ny mpanazatra, Adrienne.

Marihina fa maro ireo firenen-dehibe nihoaran’i Madagasikara tamin’ity lalao ity. Tao anatin’ireo nifaninana lasa tany aorianantsika i Etazonia, Chine, Japon, Allemagne, ary France. Teo amin’ny fahaiza-manao sy ny haifamoronana no tena nanana tombony ny ekipa Malagasy. “Efa zatra miaina amin’ny zavatra misy eo am-pelatanana ny Malagasy, manana talenta amin’ny famoronana ary izay no tena iavahantsika amin’ny maro. Mandray anjara amin’ity fifaninanana ity avokoa ny firenena rehetra eran-tany kanefa tafakatra aty amin’ny laharana fahefatra isika” hoy kosa ny mpandrindra ny ekipa. “Namana 2.0” sy “Voromahery” ireo moa raha tsiahivina no anaran’ny “Robot” noforonin’ny ekipa Malagasy. 

Afaka manampy ny olona amin’ny raharaha ao an-tokantrano toy ny famafana trano, fibatana entana, mandraoka fako, fanalana vovoka ny “namana 2.0” ary zava-baovao tsy mbola nisy namorona kosa ny “voromahery” Afaka mitarika sy manoro ny olona ny lalana tokony hivoahana raha sendra hain-trano na zavatra mirehitra koa ny “voromahery” Efa misy jiro mipetraka manokana aminy hitsilovana lalana na alina aza ny andro.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés