Webradio

ANTANIMALANDY - MAHAJANGA : Voazimbazimba, anorenan’ny olona trano ny fasana ao Mangatokana

Fokontany ao Antanimalandy, Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga. Tsy asian’ny olona hajany intsony ny fasana ao Mangatokana kanefa dia mirakitra tanteraka ny vakoka tsy tontan’ny ela ho an’ny taranaka fara aman-dimby. 30 septembre 2020

Miantso vonjy amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina ny lehiben’ny 
Very hasina tanteraka ireo razana milevina ao amin’ny fasana ao Mangatokana, anatin’ny Fokontany Antanimalandy ao Mahajanga. Nambaran’ny lehiben’ny Fokontany ao an-toerana fa misy olona sahy manorina trano eo ambonin’ny fasana, izay sokajian’izy ireo fa fanimbazimbana tanteraka ary tsy firaharahana an’io fasana anisany manan-tantara io. Efa nisy hatrany ny fandraisan’ andraikitra nataon’izy ireo tamin’ny fanesorana an’ireo olona ireo, nisy fotoana aza nambarany fa noravana mihitsy ireo trano naorina tsy ara-dalàna ireo kanefa aty aoriana dia miverina manorim-ponenana tsikelikely eo ihany ireo andian’ olona ireo. 

Manoloana ity trangan-javatra ity dia nanapa-kevitra ny hampiantso ireo Sojabe ao an-toerana ny lehiben’ny Fokontany mba hampahafantatra azy ireo ny zava-misy. Nijery ihany koa izay vahaolana tokony horaisina manoloana izany. Lasa toeram-panariana fako ny fasana, misy manao fambolena eo ambonin’ny fasana, voalaza ihany koa fa esorin’izy ireo ny vaton-dolo ary anorenany trano eo ambonin’ilay fasana avy eo. Raha ny tantara anefa dia an-jatony maro ireo faty milevina ao amin’ity fasana ao Mangatokana ity. Mitahiry tantara tsy tokony hohadinoin’ny taranaka aty aoriana ihany koa ity farany.

Tamin’ny taona 1976 dia nisy ady teo amin’ny Kaomôrianina sy ny Betsirebaky. Rehefa niha nahery vaika ny ady teo amin’ny roa tona dia lasa voakasika ny tao Mahajanga, ka faty maro no niparitaka tamin’izany. Niitatra tamin’ny famonoana Malagasy izay hanaraka fivavahana Silamo izany ary nalevina natao lavaka iray tao Mangatokana ireo faty ireo, hoy ity lehiben’ny Fokontany ity raha nampahatsiahy ny tantara. 

Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa nisy olona an-jatony izay tra-doza tamin’ilay Sambo Samson no nalevina anaty lavaka iray tao amin’io fasana io ihany. Manoloana ireo rehetra ireo no anaovan’ny lehiben’ny Fokontany ao Antanimalandy antso avo amin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hijery akaiky ny zava-misy ity. Mangataka ihany koa ny tenany ny hametraka tsangam-bato iray eo amin’io fasana io ho marik’ireo tantara nolalovan’ny Firenena ireo. Miantso ny eo anivon’ny Kaomitin’ny fampihavanana Malagasy (FFM) ihany koa izy mba hiditra an-tsehatra hanao fampihavanana, ka hanadinona ny lonilony vokatr’ireo ady nisy taloha ireo. 

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés