Webradio

FAMPIVONDRONANA : Raikitra fa ny Kintana maintin’i Ghana no hifanandrina amin’ny Barea

Novahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina indray ny olana. Omaly, nanao fanambaràna ny mpanazatra Nicolas Dupuis fa raikitra ihany fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea noho ny fanelanelanana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis ary ny Minisitry ny Fanatanjahantena. 30 septembre 2020

Tsy i Burkina-Faso, araka izay efa niely tato anatin’ny andro vitsy anefa, no hifanandrina amin’ny ekipam-pireneana malagasy na ny Barea fa ny Black Star na ny Kintana mainty ekipam-pirenin’i Ghana.

Ity farany izay laharana faha-46 amin’ny fanasokajiana nataon’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA) ary laharana fahafito aty Afrika. Any Torkia no hatao ny lalao, raha ny nambaran’ny mpanazatra Nicolas Dupuis, omaly hatrany. Fitsitsiana sy fitsinjovana ny Firenena no antony tsy nanaovana ity lalao ity any Ghana, araka ny nambaran’ny mpanazatra. “Raha ilay lalao izay nokasaina hatao tany Maraoka dia eo amin’ny 100.000 euros ny saran’ny fandaniana. 

Tsy ho zaka izany  », hoy indrindra ity teratany frantsay mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ity. Mitsinjo lavitra, araka izany, ny mpanazatra sy ny Filoham-pirenena kanefa tsy diso safidy. Ekipa sangany mantsy ireto hifanandrina amin’ny Barea ireto. Manana traikefa ny mpilalao mandrafitra ny Kintana maintin’i Ghana ary efa zatra ady. Tamin’ny taona 1950 no niforona voalohany ny Black Star na ny Kintana maintin’i Ghana, efa nandrombaka ny amboaran’i Afrika inefatra (1963, 1965, 1976, 1982) ary efa intelo nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany teo amin’ny taranja baolina kitra.

Fandaharam-potoana

Toy izao kosa ny fandaharam-potoana mikasika an’io fampivondronana io : ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma 9 oktobra 2020 dia misy ny fanazaran-tena any Luxembourg ary faranana amin’ny lalao fanazaran-tena amin’i Swift Hesperange (D1) ao an-toerana ihany. Ny sabotsy dia miainga ho any Torkia manohy ny fanomanan-tena ny ekipam-pirenena ary ny alatsinainy 12 oktobra 2020, izay “andron’ny FIFA”, no hanatanterahana ny lalao amin’i Black Star Ghana. Hanana tombony isika eto Madagasikara amin’ny fanatanterahana ity lalao ity satria halefa mivantana amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny lalao ary hotateraina am-peo ao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy RNM ihany koa.

“Garman” no fanamiana hisalorana

Mahakasika ny fampitaovana, ny Telma izay mpanohana mafana fo hatramin’izay no hiantokana ny lany rehetra ary mbola ny “Garman” hatrany no akanjo hisaloran’i Barea. Mety hiova nefa ny fanamiana aorian’izay. “Io no farany hitondran’ny ekipam-pirenena ity marika ity”, raha ny nambaran’ny mpanazatra Nicolas Dupuis hatrany.

Nankasitraka ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena ny mpanazatra noho ny fanatanterahana ity lalao ity. “Isaorako ny Filoham-pirenena, ny Minisitry ny fanatanjahantena sy ireo mpikambana 7 ao amin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra. Tsy hadinoko ianareo mpankafy ny Barea. Misaotra Tompoko  » hoy i Nicolas Dupuis.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés