Webradio

FANAPARITAHANA TSAHO SY FANARATSIANA : Ny mpanabe indray no manome ohatra ratsy

Raha natao hanome ohatra tsara ny mpanabe, tsy izay ny zava-misy any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.  5 octobre 2020

Taorian’ilay mpampianatra vakatera izay voasambotry ny zandary tao Ambilobe ny 24 septambra teo  ary naiditra am-ponja vonjimaika ny 29 septambra tao Antsiranana noho ny fanaparitahana tsaho, dia fantatra fa misy mpanabe iray, izay lehiben’ny sampana iray ao amin’ny foibem-paritry ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa ao Antsiranana, no voarohirohy amin’ny fanaparitahana tsaho ihany koa miampy fanaratsiana sy fandrahonana. 

Nanao fikarohana ny zandary tao Antsiranana taorian’ny fitoriana nataon’ilay tompon’andraikitra lasibatry ny fanaratsiana tao amin’ny fesiboky, ka hitan’ireto mpitandro filaminana ireo olona ambadika izao asa ratsy izao. Anisan’izany ity lehiben’ny sampana ao amin’ny foibem-paritry ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana araka asa ity. Efa vita ny fanadihadiana natao azy ireo, ka andrasana ny fampiakarana ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana.

Raha ity lebiben’ny sampana ity no resahina dia mitaraina ny rehetra momba ny fihetsiny ao amin’ny foibem-parity ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa, eny fa na ao amin’ny lisea teknika ao an-toerana. Milaza azy ho mahitahita ny lehilahy ka tsy miraharaha ny mpiara-miasa aminy sy ny lehibeny. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity.

A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés