Webradio

FIHAONAN’NY BAREA SY IVOARIANA ANY TOAMASINA : “Tsy mankasitraka ny ligy sy Federasiona”

Ny zoma 2 oktobra lasa teo, nisy ny fivoriana fanomanana ny ho fiatrehana ny lalao hifanandrinan’ny Barea sy Côte d’Ivoire, izay kasaina hatao ao Toamasina. 7 octobre 2020

Fivoriana izay notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna Toamasina. Hatreto dia azo lazaina fa mandroso ny asa fanamboarana ny kianja stadium Barikadimy raha ny ao anatiny. Voaelingelina kosa ary tombanana ho mbola tsy mifanaraka amin’ny fenitra takin’ny Caf ny ety ivelany, raha tsy hilaza ny mbola tsy fahavitan’ny lalana mivoaka sy miditra ny vavahady atsinanana sy atsimo, izay mbola voasakan’ ireo tranon’olon-tsotra mbola an’arivony tafo tsy mbola niala.

Ho an’ny mpitia kitra dia niharihary nandritra ny fivoriana ny zoma 2 oktobra alina teo tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna ny teny navoakan’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra Atsinanana Andry Herinjatovo Marcel, izay nilaza fa hoe  : " Izahay ligy sy federasiona dia tsy mankasitraka ny hanaovana an’ io baolina io eto Toamasina". 

Hatairana sy hagagana ny an’ny rehetra tsy nihevitra fa ny filohan’ny Ligy indray no sahy niteny an’ izany teo anatrehan’ny mpivory, izay nahitana ny solontena avy tamin’ny mpitandro filaminana telo tonta, ny kaominina, ny Jirama, ny Ligy ary ny solontenan’ny vondron’ny mpitia kitra sy Barea. Mipetraka ho sakana amin’ny tsy ho fandraisan’i Toamasina io lalao goavana io noho izany ity filohan’ny ligin’ny baolina kitra ao Atsinanana ity. Fihetsika izay tsy ankasitrahan’ny mpitia baolina kitra tanteraka.

TH 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés