Webradio

HORONANTSARY NAPARITAKA TAMIN’NY FESIBOKY : Saron’ny Zandary ilay tovolahy nametaveta zazalahikely

 Efa eo am-pelantanan’ny Zandarimariam-pirenena ankehitriny ilay tovolahy nametaveta zazalahikely, horonantsary naparitaka tamin’ny tambajotra fesiboky, ny faran’ny herinandro lasa teo iny.  12 octobre 2020

Tsy ela dia tratra ity farany ka ny sampana fitrandraham-baovao, fikarohana fandikan-dalàna, fiarovana ny zaza tsy ampy taona ary ny famotorana heloka bevava sy heloka anabaka eo anivon’ny Zandary no nisahana ny fitadiavana ny angom-baovao rehetra. Ao anatin’ny famotorana lalina momba ny raharaha tanteraka ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. 

Ilay zaza novetavetaina ihany koa dia efa eo am-pelatanan’ny ray aman-dreniny, izay mbola samy ao anatin’ny fanadihadiana avokoa mialoha ny hiakaran’ny raharaha any amin’ny Fitsarana. Tsy azo ekena ary melohin’ny lalàna mifehy eto Madagasikara tanteraka ny zava-nitranga ka tsy havela mora ny tranga toy ireny, raha ny fanazavana ihany. Arahina akaiky moa ny tohin’izany hatreto.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés