Webradio

TERATANY VAHINY MIBODO TANY : Miantso vonjy amin’ny Filoha ireo mponina etsy Ambodivona

Mangataka ny hamoram-pon’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina ireo mponina etsy Ambodivona mba hijery sy hamaha ny olana izay iainan’izy ireo ankehitriny.  12 octobre 2020

Olona miisa hatrany amin’ny 300 monina amina tokantrano 52 tafo no ahiana ho tsy hahita haleha noho ny fibodoana ny tany ataona teratany vahiny iray eo amin’ny toerana izay misy ny tranon’izy ireo. Nanomboka tamin’ny taona 1984 no fantatra fa nanomboka nanorim-ponenana manamorona an’iny arabe an’Ambodivona iny ireo mponina. Mbola tanin’anandrano avokoa ny teny an-toerana tamin’izany ary izy ireo no nanajary izany tamin’ny alalan’ny fanotofana ny tany. 

“Izahay mponina eto dia efa nanajary an’ity toerana ity an-taonany maro satria tamin’ny taona 1984 izahay no tonga teto. Raha tonga teto izahay dia tsy hoe tonga fotsiny fa nandeha tany amin’ny Fokontany nangataka an’izao toerana izao ary nahazo. Ankoatra izay, tamin’izany fotoana izany dia mbola trano hazo no nipetrahanay teto amin’ity toerana ity, ary tamin’ny voalohany ihany koa dia tanin’anandrano no teto ary izahay izao no nanajary azy tamin’ny alalan’ny fanotorana. 

Tamin’ny taona 2009 dia nisy baiko avy amin’ny Fitondrana hoe tokony hatao trano biriky daholo ny trano hazo indrindra indrindra fa ny manamorona ny lalana dia niezaka izahay mponina tety”, hoy ny fanazavana avy amin’ny solontenan’ny mponina. Hatramin’izay dia niaina am-pilaminana tsara izy ireo, saingy amin’izao fotoana dia misy teratany vahiny mijoro milaza ho tompon’ny tany. Naharay taratasy mba hialan’izy ireo amin’ny toerana ireo mponina ary tsy vitan’izay fa nahazo fandrahonana ihany koa fa tsy maintsy horavana ireo trano biriky izay naorina taty aoriana. “Tamin’izany fotoana izany tsy nisy nilaza hoe tompon’ny tany kanefa amin’izao fotoana izao kosa dia misy Karàna mitonona ho tompon’ny tany ary dia misy taratasy tonga izay mampiala anay fa horavana ity toerana ity”, hoy hatrany ny fanazavana. Mahatsiaro ho atody miady amam-bato izy ireo eo anatrehan’ity raharaha ity. 

Eo anatrehan’izany indrindra no angatahan’izy ireo fanampiana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina. “Noho ny fanajarianay nandritra izay taona maro izay dia mangataka aminao izahay Andriamatoa Filoha hajaina, Andry Rajoelina mba hijery anay vahoaka madinika eto amin’ity toerana ity. Ny angatahanay aminao dia ny hijerenao anay, mba jereo izahay madinika fa ny vahiny ve no hahazo izao toerana misy anay izao anefa izahay mponina eto dia miisa 300 mipetraka amina trano 52 tafo”, hoy ny antso vonjin’ireo lasibatra.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés