Webradio

MALAIMBANDY : Dahalo 2 mpanolana sy mpamono olona nikoizana azo sambo-belona

Nandritra ny hetsika fampandrian-tany ny zoma 09 oktobra lasa teo, tao Ankilimiangy, fokontany Tambazo, Kaominina Malaimbandy dia azon’ny Zandary sambo-belona ireo dahalo roa lahy ikoizana amin’ny vono olona sy halatr’omby ary fanolanana tao an-toerana. 12 octobre 2020

Ny tatitra voaray avy any an -toerana no nahafantarana fa misy ny hetsika famongorana ireo olon-dratsy any amin’iny Faritra iny, izay tanterahin’ny “Centre spécial d’aguerrissement Opérationnel”, nahitam-bokany ary nahavelombolo ny mponina izany hetsika izany. Tamin’ny nahatrarana ireo dahalo roa ikoizana ireo dia nisy ny fifandonana goavana teo amin’ny Zandary sy ireto jiolahy. Vokany, sarona i Doria sy i Sambo raha tafatsoaka kosa i Ndria naman’izy ireo. Tratra teny am-pelatanan’ireto farany ihany koa nandritra ny fisavana ny basy mahery vaika miisa telo, bala ary niampy ody gasy sy moara marobe isan-karazany.

Nahafaly ny fokonolona tao an-tanàna ny nahavoasambotra azy roa lahy ireto satria voalaza fa nampihorohoro ny mponina ny asa ratsy vitan’izy ireo hatrizay, ary niaina tao anaty tebiteby ny rehetra. Mba ho fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana hatrany dia mitohy ny hetsika fampandrian-tany amin’iny Faritra iny ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés