Webradio

FIVORIAN’NY ANTENIMIERA : Hirosoana ny fandinihana ireo raharaha mahavoasaringotra olona ambony

Efa tafapetraka tsara ilay vaomieran’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, izay hisahana ny fandinihana ny antontan-taratasin’ireo olona ambony izay manana raharaham-pitsarana.  14 octobre 2020

Izy ireo izay tsy azo enjehina avy hatrany raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny solombavambahoaka. 

Araka izany dia hiroso amin’ny fandinihana an’ireo dosie efa tonga eo am-pelatanany ireo mpikambana ao anatin’ity vaomiera ity. Mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa izay hatrehin’ireo antenimiera roa tonta manomboka amin’ny 20 oktobra ho avy izao no hanombohan’ny asa. Voafaritry ny lalàna fa ao anatin’ny fivoriana ara-potoana no hanaovana ny asam-baomiera amin’ny fandinihana an’ireo antontan-taratasy nalefan’ny Fitsarana Avo, izay tokony hodinihin’ireo Solombavambahoaka.

Hatreto raharaha andramena miisa 10, fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’ny Fitondrana tetezamita sy tamin’ny Fitondrana teo aloha. Ireo amin’ny ankapobeny ny karazan’ireo dosie efa tonga eo am-pelatanan’ireo Depiote. Olona ambony teto amin’ny Firenena no voasaringotra ao anatin’izany. Araka ny fanazavana voaray dia mandalo ao anaty fivorian’ireo mpikambana ao anaty vaomiera aloha ilay antontan-taratasy. Mandalo ao anatin’ny fivoriana itambarambe avy eo ka eo no hanapahan’ny besinimaro hevitra na ho azo enjehina ilay olona ambony na hatsahatra ny fanenjehana azy.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés