Webradio

TANGAINONY – FARAFANGANA : Ben’ny tanàna voarohirohy ho nanolan-jaza 9 taona mpiasa an-trano

Tsy mifidy saranga na toerana ny trangana fanolanan-jaza ankehitriny ary tsy mitsaha-mitombo ireo tranga miseho isanandro. Araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny Distrikan’i Farafangana iny dia olom-boafidy iray tany an-toerana no voarohirohy sy tanan’ny Zandary atao famotorana, ankehitriny, noho ny resaka fametavetana zaza tsy ampy taona. 14 octobre 2020

Ben’ny tanàna voafidy tao Tangainony ao anatin’ity Distrika ity no voalaza fa nanolana zazavavikely iray vao 09 taona monja, izay mpiasa ao an-tranony ihany. Niharan’ny fanararaotana ara-nofo io zaza io, raha ny fanazavana ihany, ka nampandre ny fianakaviany ny zava-nanjo azy izy. Nisy, araka izany, ny raharaham-pihavanana teo amin’ny roa tonta mba handravonana sy handaminana ny raharaha. Nampanantena noho izany ity Ben’ny tanàna fa handoa vola 3 tapitrisa Ariary ho onitry ny herisetra vitany tamin’ilay zaza. 

Niandry fotoana maharitra ny fianakavian’ity zaza voaolana kanefa mboa tsy nandoa ny vola nampanantenainy hatrany ilay rangahy. Farany, nitondra ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana any Farafangana ny ray aman-drenin’ity zazavavy, ny 08 oktobra 2020 lasa teo iny. Nanokatra ny famotorana ny Zandary nanomboka ny 09 oktobra teo izay mbola mitohy ankehitriny. Arahina akaiky ny valin’ny fanadihadiana sy ny ho tohin’ny raharaha.

Nosaziana eny Tsiafahy ilay lehilehy nanolan-jazalahy

Ny vaovao farany mahakasika ny tranga fametavetana nataona tovolahy 26 taona antsoina hoe Mbola ihany koa dia fantatra fa efa nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ity farany, ankehitriny. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandary, ny 12 oktobra teo, no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha. Niaiky ny heloka vitany izy tamin’ny fanaparitahana io horonantsary io tamin’ny tambazotra fesiboky. Vesatra goavana anenjehana azy ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo zaza tsy ampy taona, fanaovana fihetsika mamoafady eo imasom-bahoaka.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés