Webradio

ASAN-JIOLAHY ENY ISOTRY : Mpanendaka gaigilahy roa nidoboka am-ponja eny Antanimora

Taorian’ny fitoriana nataona vehivavy iray teny amin’ny biraon’ny Polisy Isotry dia tra-tehaka ireo roa lahy mpanendaka efa malaza ratsy eny amin’ny manodidina.  16 octobre 2020

Efa natolotra ny Fampanoavana, ny alakamisy 14 oktobra lasa teo  izy ireo, ka nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora amin’izao fotoana izao. 

Araka ny fanazavana voaray, teny amin’ny tetezan-dRamala eny amin’ny faritra Ambodin’Isotry iny no nahatrarana ireo roa lahy ny alatsinainy 12 oktobra lasa teo, eny no toerana tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ary efa marobe ireo mponina sy mpandalo lasibatra tamin’izany, raha ny fitarainana voaray hatrany. Niaiky ny heloka vitany moa ireto farany nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo.

Ny Polisim-pirenena eto an-drenivohitra kosa dia manamafy fa tsy mitsahatra manenjika an’ireo andian-jiolahy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izay tena mahazo vahana isan’andro. Mitohy hatrany ny fisafoana ireo tanàna tena ikoizana amin’io tranga io, indrindra moa fa ny eny 67 ha, Isotry sy Ankasina rehetra iny …

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés