Webradio

FILAN-KEVITRA TANY ANTSOHIHY : Nasaina nitatitra ny asa vitany ireo Governora 18 efa voatendry

Natao omaly 15 oktobra 2020, tao amin’ny “Maison des élus” Antsohihy ny Filan-kevitry ny Governoram-paritra voalohany. 16 octobre 2020

Nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Christian Ntsay. Tonga nanatrika ny Filankevitra avokoa ny Governora miisa 18 voatendry. Nandritra io, nasaina nanao tatitra ny asa vitany sy ny tetikasa mbola hotanterahiny ny governora. 
Nanantitra koa ny Filoha fa  :“Tsy maintsy hirosoana ny fanendrena ny Governora amin’ny faritra tsy mbola misy izany”. 

Hotanterahina isaky ny iray volana sy tapany ny filan-kevitry ny Governora ary atao mihodina isam-paritra. Manamarika ny finiavan’ny Fitondram-panjakana ny hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fanatanterahana io filankevitra mitety faritra io. Nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena ny andraikitra sy asa andrasany amin’ny Governora isaky ny faritra. Araka ny voarakitry ny Didim-panjakana 2019-18-66, andininy faha-7, momba ny fanendrena ny Governora fa ny governora no mijery, mamaritra sy maminaviana ny asa tokony hatao hampandrosoana ny Faritra iadidiany. Anjaran’ny Governora no manao ny fandaharana sy ny fanatanterahana ny tetikasam-pampandrosoana eo anivon’ny Faritra. Miandrandra ny Governora, araka izany, ny vahoaka isaky ny Faritra sahaniny.

Tsy hisy intsony ny fialana olana

Tsy hisy intsony ihany koa ny fialana olana amin’ny tsy fahatanterahana ny asa fampandrosoana amin’ny faritra iray. Tompon’andraikitra amin’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa sy ny asa fampandrosoana amin’ny faritra na amin’ny tsy fandrosoana ny Governora. Isan’ izany ohatra ny asa fanamboarana lalana izay efa misy ny fitaovana goavana avy amin’ny fanjakana apetraka isam-paritra hanaovana izany. Hanana ny fahaleovantenany ny Governora isaky ny faritra.

Voarakitra ao anatin’ny Fandaharanasa Ankapoben’ny Fanjakana ( PGE) ihany koa fa afaka mamolavola sy mametraka ny tetikasa manokana ho fampandrosoana ny faritra sy hamaly ny filàn’ny mponina ao aminy ny Governora. Afaka mangataka na mijery na mifampiraharaha ny fomba hanatanterahana izany vinan’asa izany. Laharam-pahamehana amin’izany tetikasa izany ireo voarakitra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Filoha ho fametrahana ny firenena Malagasy ho firenena misandratra sy ho fanarenana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Voakasik’izany ny fahasalamam-bahoaka, fampianarana, fotodrafitrasa, fampiroboroboana ny indostria sy toekarena, sosialy sy kolontsaina.

Manana ny fahaleovan-tenany

Tsy tokony hiankina be intsony amin’ny fanjakana foibe ny faritra amin’ny asa fampandrosoana fa hametraka ny vinan’asany. Hojerena kosa ny tetikasa tsy maintsy atao ary misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, ka azon’ny Governora atao ny mamaritra sy mampahafantatra ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny Filankevitry Governora momba izany. Afaka hanome tetibola manokana fanampiny ho an’ny Faritra voakasik’izany ny Fanjakana. Nasaina nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny fandraisana ny fitantanana ny Faritra ny Governora isanisany. Anisany nanaovana tombana azy ireo ny momba fanamboarana lalana mirefy 10 km isaky ny Faritra sy ny fanamboarana efitrano fianarana 6 isaky ny Faritra.

Akaiky ny vahoaka

Akaiky kokoa ny vahoaka ary mahita ny filàn’ny mponina ny Governora. Halefa any amin’ny Faritra, araka izany, ny fandrindrana ny asa mila atao any amin’ny faritra tsirairay, toy ny fanatanterahana ny velirano isaky ny Faritra. Anjaran’ny Governora no mametraka sy manatanteraka ny Politikam-panjakana sy ny Veliranon’ny Filoha. Hojerena koa ny hanatsarana ny fahefana manatanteraka ny asa fampandrosoana miainga amin’ny fidiram-bolan’ ny Faritra. Tsy mitovy ny fidiram-bolan’ny Faritra tsirairay toy ny hetra izay miankina amin’ny halehibeny sy ny habetsaky ny distrika ao amin’ny fari-piadidiany. Isany ahitana taratra izany ny elanelana be misy amin’ny hetra tambatra na “impôts synthétiques” voarain’ny Faritra. Tonga 9 miliara Ariary izany ho an’ny Faritra Analamanga isan-taona raha toa ka 102 tapitrisa Ariary isan-taona izany ho an’ny Faritra Androy.

Fandrosoana mitovy tantana

Tanjona ny hametraka fandrosoana mirindra sy fandrosoana mitovy tantana eto Madagasikara. Misahana asa lehibe ny Governora amin’ny fampandrosoana ka efa tsy natao ho Lehiben’ny Faritra intsony fa novaina mihitsy ny fiantsoana ho Governora, tahaka ny hita amin’ny tany mandroso maneran-tany. Misokatra ny fifaninanana. Hojerena ny faritra mahavita lalana sy mamaky lalana betsaka indrindra. Efa omena ny fitaovana goavana sy feno amin’ny fanatanterahana izany ny Faritra. Toy ny “compacteur”, “niveleuse”, trakitera, kamiao. 

Takina ny hananan’ny Governora ihany koa fahaiza-mitantana. Hanao tombana ny asa vitan’ny Governora ny Filoha ary hiainga amin’izany ihany koa ny famaritana ny tetibola ilain’ny Faritra amin’ny asa vita sy ny asa tokony hatao. Zava-dehibe ny fanomezan-danja indray ny faritra sy ny faritany izay efa tsy nisy efa ela ho an’ny fampandrosoana ny Firenena. 

Ankoatra izay dia notanterahina omaly tao Antsohihy koa ny Filankevitry ny Minisitra niaraka tamin’ny Filoha sy ny Praiminisitra ary ny mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés