Araka ny fampitam-baovao marim-pototra voaray avy any an-toerana dia efa tafiditra tao anatin’ity trano fivarotana fivaraka volamena sy volafotsy ity tao Ambodisatrana ireo andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana ireo. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tazan’ilay mpiambina mifanila tamin’ilay toerana voatafika ireo olon-dratsy, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, ka nanamparan’ireto farany ny hatezerany ary nodarohana narahina vono ka naratra mafy.
Niezaka niantso vonjy ity farany, ka nahatonga ireo dahalo nirifatra nitsoaka. Araka ny voalaza hatrany dia miisa telo ireo jiolahy nanafika ity fivarotana firavaka ity ary voalaza fa ny roa tamin’izy ireo dia manao fiteny tsy avy ao Sambava. Araka ny fantatra hatrany dia efa voafatotr’ireo dahalo ilay mpiambina ny toerana fa ilay mpiambina mpifanila kosa indray dia voafira antsy ka naratra mafy.
Fotoana vitsy taorian’ny nitrangan’ny fanafihana dia tonga teo an-toerana ny mpitandro filaminana avy tamin’ny Zandarimariam-pirenena sy Polisim-pirenena. Avy hatrany dia nitondra ilay mpiambina naratra teo anivon’ny tobim-pahasalamana ny polisy.
Efa nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity nanomboka ny sabotsy 17 oktobra teo, ary samy nandray an-tanana izany ny avy amin’ny zandary sy ny polisy. Ho fantatra miandalana eo izay mety ho tohiny.
Mpanjono