Webradio

FAKO : “Mahalany potika plastika 125g isam-bolana ny mpanjifa hazan-dranomasina ”

Nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa WIOSAP, fifanarahana tany Nairobi, sy ny fanentanana momba ny tetikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny fako an-dranomasina sy fako plastika dia nifanaiky handray ny andraikiny ireo sehatra rehetra voakasika amin’ny toeram-pitsangantsanganana Petite Plage Amborovy amin’ny fitantanana ny fako ao. 19 octobre 2020

Anisany toerana mampalaza an’i Mahajanga izy io amin’ny zahatany nasionaly sy fitsangantsanganan’ireo mponina. Teny amin’i Petite Plage no nosafidian’ny sampan-draharaham-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy hanaovana io fanentanana io, ny sabotsy maraina teo, ka niantsoana ireo mpanao ny asa fitadiavam-bolany eny amin’ny torapasi-dranomasina  toy ny mpivarotra sy mpanjono, tao amin’ny Waterfront. Anisany notsindriana tamin’izany ny fanariana fako anaty ranomasina ataon’ireo mpampanofa elo. Efa ady ataon’ny fikambanana Mahajanga ville propre moa izy io isanandro. Fikambanana ahitana an’i Agostino Montalti Ago, manao tee-shirts volomboasary miaraka amin’ireo ankizy zanaky ny mpanjono no mitsimpona ireo fako eny amin’ny torapasi-dranomasina ka manary izany eny amin’ny fanariam-pakobe... Nandritra ny fanentanana dia nanambara ireo mpampanofa elo sy mpivarotra, fa tsy olana amin’izy ireo ny manadio, ary efa ataon’izy ireo rahateo izany, fa ny hanatitra ny fako amin’ny fanariam-pakobe izay zato metatra maromaro miala ny torapasi-dranomasina no olana. Nambaran’izy ireo ihany koa fa 300 metatra monja no sahanin’izy ireo, ka tsy tompon’andraikitra amin’ny fako amin’ny toerana hafa ankoatra ny 300 metatra io izy ireo.

Nahazo fiarabe vaovao mpanala fako ny kaominina

Nambaran’ny filohan’ny fikambanana koa fa mandoa hetra 8 ka hatramin’ny 2 400 000 Ariary isan-taona eo izy ireo, ka tokony hanana andraikitra ihany koa ny kaominina amin’ny fanadiovana. Nambaran’izy ireo mantsy fa tsy maintsy mandoa 25 000 Ariary amin’ny lehilahy iray milaza fa tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina izy ireo teo aloha raha te-hanala ny fanariam-pako. Nanome toky kosa ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina tonga teo fa manomboka izao dia hisy foana ny fanalana ireo fako araka ny ilàna azy... Nivohitra nandritra ny adihevitra mantsy fa tsy feno io fanariam-pako io noho ny havitsian’ny mpanary fako ao, ka lasa isan-kerinandro vao alaina... "Vao nahazo fiarabe vaovao mpanala fako ny kaominina, hoy izy, ary mikasa ny hanitatra ny toerana fandraisany fako ka hampidirina ao Amborovy, Petite plage. Nanitrikitrika i Ago fa any amin’ny 100 taonina isa-taona ny fako ariana any anaty ranomasina eo amin’i Petite Plage. Mihoatra ny 1 000 000 isan-taona ny mpitsangantsangana tonga eny, hoy izy, ka ilàna ny fitantanana ireo fako indrindra ny plastika. Nanambara kosa ny mpandrindra ny tetikasa SWIOSAP fa 688 000 taonina isa-taona ny fako very anaty ranomasina isan-taona ka ny 20% amin’ireo dia fako plastika avokoa... 

Ny olona mihinana hazan-dranomasina matetika, hoy izy, dia mahalany potika plastika 125g izany hoe toy ny haben’ny ’carte bancaire ’ isam-bolana. Potika plastika izay mitondra aretina maro ka anatin’izany ny homamiadana. Efa saika misy plastika madinika avokoa ireo zava-manan’aina anaty ranomasina, hoy hatrany izy, ary betsaka ny biby toy ny dauphins, fano sy trozona no maty noho ireo fako plastika. Mifantoka amin’ny ranomasina anefa ny velontenan’ny olona maro, hoy kosa i Malala tompon’andraikitra ao amin’ny faritra na jono na mampanofa elo na varotra sakafo na fizahantany ka tokony harovana. Mandrora mitsilany isika manary fako anaty ranomasina, satria tsy maintsy averin’ny ranomasina foana ny fako ariana any...

Hapetraka ny fitsipi -pifehezana

Tsy fanariam-pako ny ranomasina, hoy i Ihando Andrianjafy, talem-paritry ny sampan-draharaham-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Hohanin’ny filao ny plastika rehefa potika ka lasa “microplastique” ary poizina amin’ny fahasalamam-bahoaka. Mitaky fandraisana anjaran’ny kaominina sy ny Faritra ary ny sampan-draharaham-paritra tompon’andraikitra kosa ny fikambanana Majunga ville propre. Nilaza ny talem-paritra fa tsy tokony hiandrasana fampiharana lalàna fa hapetraka ny fitsipi -pifehezana. Nanome toky ny mpampanofa elo fa hametraka siny tsirairay isaky ny elo hanariana fako... 

Ny fikambanan’ny mpivarotra sy mpampanofa elo kosa dia nilaza hividy sobika 20 hanariana fako. Ny tompon’andraikitry ny kaominina kosa dia vonona hanome borety hitaomana ny fako avy amin’ny torapasi-dranomasina ho eny amin’ny fanariam-pako. Tsy ny mpivarotra mpampanofa elo ihany anefa no mampiasa ny torapasi-dranomasina, fa ny mpanjono koa ka hanome daba fanariana fako azy ireo ny fikambanana Mahajanga ville propre... dia miara-miasa amin’ny fikambanana mpivarotra amin’ny fanaterana ny fako eny amin’ny fanariam-pako. Ny tompon’andraikitra ny kaominina kosa dia nanome toky fa hanala ny fako eny amin’ny fanariam-pako na isanandro aza raha ilaina izany, mba hanamora ny fanariana fako eny amin’ny toerana voatokana kosa dia nangatahana sarety tarihin-tanana na “charrette à bras’ fakana fako ny tetikasa SWIOSAP izay tetikasa mahazo famatsiam-bola amin’izay ady sy fitantanana ny fako plastika izay... 

Tsy dia nanampo ny fahavononana avy hatrany loatra ny mpandrindra ny tetikasa. Nilaza moa izy fa hampidiriny anatin’ny fandaharan’asany ny sosokevitra sy lahasa neken’ny sehatra rehetra hatao mandritra ny fanentanana ary hitadiavany mpamatsy vola ny ahazoana io "charette à bras” io. Nilaza izy fa ao anatin’ny fandaharan’asany ny fametrahana rafitra amin’ny fitantanana ny fako plastika. Efa lasa aloha anefa ny Petite Plage satria efa misy ny rafitra azo ampiasaina ... Andrasana kosa ny fanajan’ny tsirairay ny teny nomeny sy ny fandraisany andraikitra.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés