Webradio

ADY AMIN’NY COVID 19 : Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Fanjakana ny Antenimieram-pirenena

Araka ny fanambaràna ôfisialy nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia foana tanteraka ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.  21 octobre 2020

Nofoanana satria efa resintsika ny valanaretina Covid 19. Maro ny ezaka sy ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana tao anatin’izay fito volana niatrehana ny hamehana ara-pahasalamana izay. Azo tsapain-tanana ankehitriny fa nahomby izany, lasa fitalanjonana ho an’izao tontolo izao i Madagasikara. Eo anatrehan’izany indrindra dia naneho fankasitrahana feno an’ireo ezaky ny Fitondram-panjakana noentina niadiana tamin’ity valanaretina ity ny Antenimieram-pirenena.

Miainga amin’ny Filoha Andry Rajoelina ny fankatelemana izay natolotr’izy ireo, tahaka izany ihany koa ny Governemanta miaraka amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpitandro filaminana izay samy tsy nikely soroka tamin’ny fifehezana ny Covid 19. «  Eto miarahaba anao Andriamatoa Filoha, miaraka amin’ny ekipanao fa voafehy ny valanaretina Covid 19. Noho izany ny Antenimieram-pirenena dia maneho fankasitrahana sy fankatelemana ny ezaka rehetra izay nataon’ny Fitondram-panjakana manomboka amin’ny Filoha izay mpitari-tafika, ao ihany koa ny Praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta rehetra, ireo rantsa-mangaika samihafa eny amin’ny CCO, ny mpitsabo ary ny mpitandro filaminana malagasy rehetra  », hoy ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny alalan’ny filohany, Razanamahasoa Christine.

Noho ny ezaka izay nimason’ireo rehetra nitambatra no nahafahan’i Madagasikara nivoaka tao anatin’ity valanaretina ity. Notsongainy manokana tao anatin’izany kosa ny teny fisaorana ho an-dRamatoa mpitondra tenin’ny CCO Ivato, ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle tamin’ny asa makadiry izay nankinina taminy, kanefa vitany tamin’ny antsakany sy andavany. Na izany aza anefa, hoy izy dia tokony ho mailo hatrany satria mbola miriaria eny anivontsika ny tsimok’aretina, ka miantso antsika tsirairay avy hanamafy ny fiarovan-tena. 

Mody fanina izay tsy mahita ireo asa fampandrosoana efa vita 

Ankoatra izay dia nasian’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teny ihany koa ny amin’ireo fotodrafitrasa maro efa tafatsangana manerana ny Nosy. Ireo izay mody fanina ihany, raha ny nambarany, no tsy mahita an’ireo asa fampandrosoana mivaingana efa tanteraka. Nankasitraka ny Filoha Andry Rajoelina ireo solombavambahoaka satria na dia tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fotoan-tsarotra aza ny firenena dia tsy nataon’ny Fitondram-panjakana ho ambanin-javatra mihitsy ny asa fampandrosoana teny anivon’ny Distrika sy ny Faritra. «  Manolotra fisaorana manokana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina tamin’ny vikin-dava nasehony teo amin’ny Faritra maro nanatontosa ny asa sy nanatanteraka ny velirano izay nampanantenainy. 

Raha resaka fotodrafitrasa aloha dia izay minia mikimpy sy mody marenina ihany angamba sisa no tsy mitolagaga. Maro dia maro tokoa no efa vita ary mbola mihoatra izany ireo mbola hatao sy efa miantomboka sy efa eo am-perinasa tanteraka  », hoy hatrany izy. Nankasitraka ny fijerena akaiky ny olana any Atsimo sy ny fitondrana vahaolana momba ny kere ihany koa ny Antenimieram-pirenena.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés