Webradio

IMERINTSIATOSIKA : Sarona ireo 12 lahy mpampihorohoro sy mpanao fanafihana

Manoloana ny fampihorohoroana sy firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny Kaominina Imerintsiatosika dia nanatanteraka fampandrian-tany sy fanadihadiana momba izany ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana, nanomboka ny 07 oktobra 2020 lasa teo iny. 21 octobre 2020

Nifamory nitady vahaolana niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna tao an-toerana izy ireo tamin’izany. 

Raha ny loharanom-baovao voaray dia niaina tao anaty tebiteby fatratra ny mponina tao anatin’ny andro maromaro, ka ny 17 okobra lasa teo àry dia fantatra fa voasambotry ny Zandary ny tambajotran-jiolahy, miisa 12 lahy ireo tratra amin’izao fotoana izao. Izy ireo izay nikoizana tamin’ny resaka vaky trano sy fampihorohoroana ny mponina tafihiny, ka izao tsy maintsy nanaovana hetsika manokana izao. Tamin’ny fotoana nahatrarana ireto farany moa dia mbola nahitana entana halatra maro isan-karazany, rongony milanja 03 kg, fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy poleta iray niampy bala miisa sivy miaraka amin’ny “chargeur” miisa roa ary zava-maranitra tao amin’ny trano fieren’ireto farany. 

Nandritra ny famotorana ihany dia voalaza fa mpamatsy bala ny jiolahy miisa roa tamin’izy ireo. Ankehitriny, tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony aloha ireo jiolahy, nisaotra ny mpitandro filaminana rahateo koa amin’ny ezaka goavana vita niarovana ny vahoaka sy ny fananany toy izao .

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés