Webradio

AMBATONDRAZAKA : Nahanjahanjan’ny vahoaka irery ireo parlemantera mpanohitra

Inona indray izao no hambaran’ny depiote Fidele Razara Pierre sy ireo namany  ?  26 octobre 2020

Nanao «  tam tam  » tsy misy tahaka izany ny Tim sy ireo mpanohitra namany tao Ambatondrazaka, nandritra ny andro maro, nilaza ny fahatongavan’ ingahy Fidèle Razara Pierre sy ireo depiote namany tao an-toerana. Indrisy fa tsy naharototra ny olona ny fahatongavan’izy ireo.

 Mahafantatra ny marina ny vahoakan’Ambatondrazaka ankehitriny ary tsy ho isan’ny distrika tara foana amin’ny fampandrosoana. Vitsy dia vitsy ny olona tonga tao amin’ny toerana famoriam-bahoaka «  espace Laza  » nanotrona azy ireo, ny sabotsy teo. Hanao tatitra amin’ny vahoaka sy fanehoana ny firaisan-kinan’ny solombavambahoaka no voalaza fa antony fitsidihana nataon’izy ireo.

Tsy nampoizin’ingahy Fidèle Razara Pierre ny zavatra niandry azy ireo tao an-toerana. Tena marina, ny tanjon’izy ireo dia ny hamafa ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina tany an-toerana saingy nolavin’ny mponina izy ireo. Mangetaheta fampandrosoana ny vahoakan’Ambatondrazaka, ka tsy ho azon’ny antoko Tim sy ingahy Fidèle Razara Pierre hofitahina intsony. Tsy fotoanan’ny korontana izao fa fotoanan’ny asa fampandrosoana ny firenena. Sa tsy zakan’ingahy Ravalomanana sy Fidèle Razara Pierre ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny izay tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, ka mahatonga azy ireo mitady ny fomba rehetra hanakorontanana ny firenena  ? Sao mba tsy rariny kosa e e.

A. Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés