Webradio

NOSY BE : Vehivavy iray 29 taona mpisoloky efa nahazo vola an-tapitrisany voasambotra

Vehivavy iray 29 taona, malaza ratsy amin’ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana no tra-tehaky ny Zandary avy amin’ny Borigadin’ny Zandary Dzamandzar, omaly talata 27 oktobra. 28 octobre 2020

Olona miisa efatra samy hafa no nakan’ny vola saingy tsy misy naveriny tamin’ny fe-potoana nomeny avokoa no sady omeny fotoana lava. Ny sasany tamin’ireo olona nisolokiany aza nampanantenainy fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny « aéroport  » izy ary mikarama roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary. Nototofany lainga avokoa anefa ireo olona nakany vola. Tezitra, araka izany, ireo olona nanaovany hafetsena ireo ka nametraka fitoriana teo anivon’ny Zandary mba hanokatra ny fanadihadiana momba azy io. Fantatra tamin’ izay fotoana izay ary fa vola mitentina 1 653 000 Ariary eo ho eo no lasan’ity farany.

Rehefa natao ny velam-pandrika dia voasambotra tao Ampasikely io vehivavy io noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona, niampy ny vaovao marim-pototra. Ny fanampim-panazavana voaray avy tamin’ny kaomandàn’ny Borigadin’ny Zandary tao Dzamandzar Nosy Be Raherimaminirainy Zoly hatrany dia fantatra rahateo koa fa mbola nisoloky ho manambady mpiandry fonja ary mipetraka ao amin’ny fonja izy saingy tsy marina rehefa natao famotorana lalina. Atolotra ny Fitsaràna ny raharaha aorian’ny fanadihadiana .

Tatianà R.     

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés