Webradio

PRO ANR : “Miasa ny Fitondrana ankehitriny, aoka izay ny fanakianana miendrika fankahalana”

Namaly ny fanaratsiana mihoa-pampana naelin’ny Depiote Tim, voafidy tany Ambatondrazaka ny avy amin’ny Fikambanana manohana ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, na ny «  Pro ANR  », omaly.  28 octobre 2020

Nambaran’ny filohan’ ity fikambanana ity, Razafindramahafehy Eliane Doris, fa tena miasa ny Fitondram-panjakana ankehitriny na teo aza ny covid-19.

 Tsy nahasakana ny fampandrosoana tsy handeha mafy io valanaretina io, hoy izy ireo. “Nandritra izay herintaona izay, sady niasa no mbola nanadio sy nanarina ireo vary mangatsiakan’ny Mpitondra teo aloha ny Fitondrana amin’izao. Efa voadio sy voarina ny tsy nety. Handeha mafy amin’izay ny asa fampandrosoana. Tena asa no nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ary nataony tamin’ny fony. Azo itsarana azy ny asa efa vita hatreto. Vao herintaona monja kanefa tena efa lasa lavitra dia lavitra”, hoy ny voalazany. Raha ny zava-misy, azo antoka tanteraka fa ho vita ara-dalàna ireo rehetra nampanantenain’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, alohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasany.

Tsara ny manamarika fa na any amin’ny Faritra na eto an-drenivohitra dia samy misy fotodrafitrasa napetraka avokoa. Ho an’Ambatondrazaka manokana, efa maro amin’ireo nampanantenain’ny Filoha sy nanaovany velirano no vita raha tsy hilaza afa-tsy ny kianja manara-penitra fotsiny, toho-drano hanondraka velaran-tany maro, ny lalana Feramanga Avaratra, ny tetezana ao Manaingazipo izay efa novaina ho tetezana “Fihariana” amin’izao fotoana. Misy fotodrafitrasa hafa efa vita sy an-dalam-pamaranana koa any amin’ny Faritra hafa toy ny fanamboaran-dalana, fananganana sekoly, hopitaly, fametrahana birao vaovaon’ny mpitandro filaminana sy ireo maro hafa. Mbola anaty veliranon’ny Filoham-pirenena koa ny fanamboarana ny lalana rehetra simba sy ny lalana tsy nisy niraharaha hatramin’izay. “Mbola mitohy ny asa rehetra fa tsy mbola mifarana eo akory. Mila mahay mijery sy mahay mankasitraka ireo be monomonona ireo. Tsy nijanona tamin’ny antoko nahalany azy ny Filoha, Andry Rajoelina, fa tena niasa ho an’ny Malagasy rehetra. Ilaina ny fanakianana fa ny fanakianana miendrika fankahalana no tsy mampandroso ity Firenena ity”, hoy hatrany ny filohan’ny “Pro ANR” 

Vary gasy no nozaraina tao Ambatondrazaka

Ankoatra ny “Pro ANR”, nampiaka-peo mahakasika ny resabe nataon’ny TIM sy ny forongony koa ny Depiote voafidy tao Ambatondrazaka, Rakotondrazafy José Alain, omaly. Nahitsin’ity farany avy hatrany ny filazana fa vary nohafarana avy any ivelany no nozaraina ho an’ny mponin’Ambatondrazaka. “Isan’ireo nanatri-maso ny fizaràna vary Vatsy tsinjo sy Tosika fameno ho an’ny mponina tany an-toerana ny tenako. Vary gasy ary vary bota no nozaraina fa aoka tsy hofahanan-dalitra ny vahoaka.

Tsy nahasahy nanatrika ny fahatongavan’ny Filoha, Andry Rajoelina, tany Ambatondrazaka akory ireo olona manakiana ankehitriny ireo fa nisitri-belona na dia nasaina aza. Gaga anefa izahay ankehitriny fa izy ireo indray no manely tsaho sy mamafy lainga etsy sy eroa handotoana ny saim-bahoaka”, hoy ny volazan’ity Depiote voafidy tamin’ny antoko IRD ity. “Izay Faritra rehetra nolalovan’ny covid-19 dia nitondran’ny Filoha fanampiana avokoa. Ny fanampiana, tsy nataony hisehosehoana tahaka ny an’ny sasany fa tena iainany. Maharary azy izay maharary ny Malagasy satria Filohan’ny Malagasy rehetra ny tenany”, hoy hatrany kosa ny avy amin’ny “Pro ANR”, nanovana izay voalaza.

Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés