Tato anatin’ny iray volana dia olona iray ihany no hita fa narary sy naiditra hopitaly teto Mahajanga. Olona lehibe iray efa 73 taona no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao, fa nisy fahasarotany, hoy ny dokotera Rakotonavalona Rivomalala talem-paritry ny fahasalamana. Efa mihatsara kosa izy ary antenaina ny hivoahany hopitaly ato ho ato.
Tapitra ny hamehana ara-pahasalamana saingy mbola mandehandeha ny tsimokaretina. Ary mbola misy ny voatily. Mbola miveziezy ny tsimokaretina manerana an’i Madagasikara satria nisy olona avy amin’ny faritra hafa tonga teo voatily fa mitondra ny tsimokaretina.
Tokony hohajaina hatrany ny fihetsika sakana, sy ny elanelana. Tokony tsy hiraviravy tanana amin’ny fiarovana tokony hatao ny rehetra, ny fanaovana aron-tava sy ny fanasana tanana amin’ny savony sy rano. Indrindra raha mikirakira vola satria ankoatra ny covid-19 dia misy koa ny aretina azo avy amin’ny tanana maloto tahaka ny tifoidra izay mateti-pitranga eto Mahajanga. Ahafahana misoroka aretina marobe ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony.
Raha ny teto Mahajanga manolana dia nahatratra 337 ireo olona nitondra ny tsimokaretina covid-19 amin’ny olona miisa 1040 notiliana teto. Miisa 12 ny namoy ny ainy ary 324 kosa no sitrana. Ireo notilina ihany ireo fa isika rehetra dia samy mahafantatra olona nisehoan’ny trangan’aretina toy ny tazo, tsy maheno fofona sy tsironkanina sy ny maro hafa … saingy tsy nanao fitiliana ary sitran’ny evoka sy fihinanana tongolo gasy sy tambavy Malagasy isan-karazany. Fahendrena hatrany ny misoroka toy izay mitsabo.
Vanessa