Saika ireo kodiaran-droa na ny moto avokoa no niharan-doza ary nahafatesan’olona mihitsy, toy ny tranga niseho teny Ankadindramamy, Ambohitrimanjaka ary koa ny teny Talatamaty Imerinafovoany. Raha ny loharanom-baovao, miisa efatra eo ireo olona namoy ny ainy tamin’ny loza miisa telo samihafa. Ny zoma 30 oktobra, teny Ankadindramamy manakaiky ny vatosoa dia moto iray no nifandona tamin’ny fiara “sprinter” tao anaty fiolanana, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any.
Raha ny tatitra voaray dia voalaza fa takon’ilay dabam-pako ny mpamily fiara ka avy hatrany dia nifatratra tany amin’ilay moto. Vokany, lehilahy iray no maty tsy tra-drano, ny vehivavy iray hafa niaraka taminy kosa naratra mafy ary nifamonjena haingaka noentina tany amin’ny hopitaly HJRA saingy tsy tana ihany koa ny ainy. Samy nindaosin’ny fahafatesana daholo noho izany izy roa ireo. Ny takarivan’ny Sabotsy ihany koa, lehilahy iray nitondra moto teny Ambohitrimanjaka koa no maty nindaosin’ny fahafatesana, raha toa ka voa mafy teo amin’ny lohany.
Ary ny tranga niseho teny Talatamaty, omaly alahady indray dia fantatra fa nisy taksibe miisa roa nifanenjika raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo nahita maso ny raharaha. Vokany, voafaoka tamin’izany ny moto iray nanao taingin-droa noho ny fifanenjehana mafy teo amin’ireo fiara. Vehivavy iray noentina avy ao afara tami’ity moto voadona no maty teo noho eo ihany. Nahenoana fofona alikaola ireo mpamily ireo raha ny tatitra voaray hatrany. Raha ny zava-misy aloha eto dia ireo mpitondra moto no niharan-doza nifanesisesy. Efa mila ho isan’andro ka tokony handraisana fepetra hentitra ny fampiasana ity fitaovam-pitaterana iray ity, hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana indrindra ny eto Antananarivo. Efa be loatra ny manana azy kanefa dia toa betsaka ny tsy mahafehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Tatianà R.