Manana ivon-toeram-panofanana mpampianatra CRINFP (centre régional de l’institut national de formation pédagogique) ny ao Analanjirofo, dia ao Maroantsetra sy Fenoarivo-Atsinanana. Ho an’ny ao Fenoarivo-Atsinanana, navoaka ny alakamisy 29 oktobra lasa teo ny andiany fahazavana ho an’ireo mpiofana ho mpampianatra miisa 102 tao amin’ny CRINFP Fenoarivo-Atsinanana. Niofana nandritra ny 2 taona.
Horaisina ho mpampianatra eny amin’ny Epp izy 102 ireo. Avy amin’ny distrika enina ireto vao nivoaka ho mpampianatra ireto : Vatomandry, Toamasina Faharoa, Vavatenina, Soanierana-Ivongo ary Fenoarivo-Atsinanana. Ity ivon-teram-piofanana CRINFP ity izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ivon-toerana izay azo ambara fa tena tsara tantana tokoa. Na eo aza mantsy ny fahasahiranana, dia tsy miraviravy tanana ny talen’ity ivon-toerana ity, Jean Paul, amin’ny fampihodinana azy ka izao ahitam-bokatra izao hatrany.
TH