Soamandrakizay (Antananarivo), Mahajanga I, Fenoarivo Atsinanana, Ambilobe, Betafo, Ambositra, Ifanadiana, Farafangana, Toriara ary Amgatondrazaka. Ireo no toerana hisy ireto ambaratonga fototra ireto. Misy lisea manara-penitra miisa 4 ihany koa hanomboka handray mpianatra amin’ity ity ka isan’izany ny lisea manara-penitra ao Toliara, Antsiranana I, Antananarivo Atsimondrano ary Toamasina.
Hahazaka mpianatra hatrany amin’ny 600 isa ny sekoly tsirairay amin’ireo sekoly manara-penitra ireo ary ahitana efitrano fianarana 12, efitrano « Multimédia », toerana famakiam-boky, toerana fisakafoanana, ary efitrano fiasan’ireo mpandraharaha. « Mpandraharaha sy mpampianatra manana traikefa maro no hampiodina ireo sekoly ireo ary nisy ny sivana tamin’ny fandraisana azy avy », hoy ny voalaza.
Fepetra mifanaraka amin’ny covid-19
Nandray fepetra hentitra manoloana ny fisian’ny valanaretina covid-19 eto amin’ny Firenena koa ny Minisitera. Noraisina izany hampirisihana sy hanampiana ireo Ray aman-dReny, mpampianatra, mpandraharaha eny anivon’ny sekoly, indrindra ny mpianatra hiatrika ny taom-pianarana 2020-2021. Nohamafisina fa maimaimpoana ny fidirana an-tsekoly amin’ity taom-pianarana ity. « Hanamora ny fahazoan’ny ankizy Malagasy misitraka ny fanabeazana dia nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana fa ho maimaimpoana ny fampidirana mpianatra ho an’ny toam-pianarana 2020-2021. Voakasik’izany avokoa ny EPP, CEG ary Lisea miankina amin’ny Fanjakana manerana ny Nosy », hoy ny fampahafantarana. Koa satria mbola tsy foana tanteraka eto amintsika ny valanaretina covid-19 dia nanantitra ny Minisitera fa tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. Manasa tanana amin’ny savony alohan’ny hiditra, elanelanina 10 minitra ny fidirana any amin’ny efitrano fianarana isaky ny kilasy hanajana ny elanelana ary tsy maintsy mitondra arovava avokoa ny mpianatra tsirairay. Sekoly maherin’ny 28 500 isa manerana ny Nosy moa no hisitraka fitaovana enti-manasa tanana miampy savony roa baoritra. Nisy ihany koa ny toromarika nomena sy nanterina ho an’ireo mpianatra misondrotra kilasy. Ny naoty telo volana voalohany sy faharoa tamin’ny taom-pianarana 2019-2020 lasa teo no hamaritana ny fifindran-kilasy, hoy ny voalaza, ary ireo sekoly rehetra tsy mahavita ny fanadinana hisondrotana kilasy dia tsy maintsy manatanteraka ireo dingana voalaza ireo alohan’ny fanavaozana sy ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pampianarana 2020-2021. Ny sekoly efa nahavita kosa dia efa afaka miroso amin’ny fisoratana anarana sy ny fanohizana ny fianarana.
Averina ny latsakemboka efa naloan’ny Ray aman-dReny
Mahakasika ny « kitapom-bolan-tsekoly » na ny « caisse école », mahitsy ny fanazavan’ny Minisitera : « Hisy famatsiam-bola halefa amin’ny CEG sy Lisea manerana ny Nosy, ho an’ny fampandehanan-draharaha. Ho an’ny Lisea kosa dia ny « caisse de soutien » izay natao hamaivanana ny vesatry ny Ray aman-dReny amin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly ». Nanome toromarika ihany koa ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa « haverina ny latsakembok’ireo Ray aman-dReny efa nanefa ho amin’ny FEFFI mba tsy hisian’ny tombo sy hala ». « Ny tetibolan’ny Fanjakana Malagasy no hiantoka ireo fanampiana ho an’ny sekoly ireo », hoy ny voalaza.
Hisy koa ankoatra ireo ny fizarana fitaovam-pianarana maimaimpoana ho an’ny mpianatra, fanampariahana ireo fitaovana maoderina enti-mampianatra, fametrahana ny « fanabeazana ara-kalitao sy mpampianatra ampy traikefa », fampivadiana ny fampianarana any an-tsekoly amin’ny fampianarana ampitain-davitra amin’ny alalan’ny onjam-peo, fampianarana ny mpianatra hahay hikajy ny tontolo iainana, fanamafisana ny tetikasa fampisakafoana an-tsekoly ary ny fampiroboroboana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona.
Ny Ami