Webradio

BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA : Orinasa 16 no vita fifanarahana hamatsy ny tahirim-bolamena

Orinasa 16 tamin’ireo 20 namaly ny tolotra nataon’ny banky foiben’i Madagasikara no nanasonia fifanarahana hamatsy ny tahirim-bolamena.  2 novembre 2020

Tontosa ny zoma teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta mikasika izany. Ireo orinasa ireo izany no hiantoka ny fampiakarana ny tahirim-bolamena eo anivon’ny banky foibe. Dingana izay andrandraina  hanatsara ny fahasalaman’ny sandam-bola malagasy manoloana ireo vola vahiny. 

Tato anatin’ny 30 taona farany, tsy nitsahatra nitombo ny vidin’ny volamena miohatra amin’ny sandam-bola vahiny. Ankilan’izay, ny fiatrehana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana iraisam-pirenena ankehitriny. Ohatra amin’izany ny ady ara-barotra misy eo amin’ireo Firenena matanjaka toa an’i Etazonia sy Chine, ny fialan’i Royaumes-Unis ao amin’ny vondrona Eoropeana ary indrindra manoloana ny takaitra navelan’ny valanaretina Covid-19 eo amin’ny toekaren’izao tontolo izao.

Dingana ahafahana mametraka rafitra ara-dalàna amin’ny fanondranana volamena ihany koa ny fisian’ny fifanarahana amin’ireto mpandraharaha ireto. Raha ny zava-nisy teo aloha dia ny tsenan’ireo voly fanondrana toy ny lavanila, cacao ary jirofo ihany no tena miantoka fampidirana vola vahiny betsaka ho an’i Madagasikara. Vokatra andrasana aorian’izao ihany koa ny hahafahana manatsara ny mizanam-pandoavana amin’ny alalan’ny vola vahiny miditra amin’ny fanondranana volamena ary indrindra ny fahamarinan-toeran’ny Ariary manoloana ny vola vahiny. 

Ity fifanarahana miaraka amin’ny mpandraharaha ity izay tafiditra amin’ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena amin’ny fametrahana ny seha-pihariana volamena ho fototra lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Dingana lehibe amin’ny fametrahana ny tahirim-bola eo anivon’ny banky foibe araka izany ny fahavitan’ity fifarahana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpandraharaha eto an-toerana ity.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés