Webradio

FAMBOLEN-KAZO : Efa miomana fatratra ny Faritra Vakinankaratra amin’izao fotoana izao

Efa miomana fatratra amin’ny fambolen-kazo ny ao amin’ny Faritra Vakinankaratra amin’izao fotoana.  4 novembre 2020

Miara-miasa ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fanomanana izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.  

Ny fitambaran’ireo dingana rehetra miainga amin’ny fanomanana ny voa, ny fikarakarana ny tanin-jana-kazo no mamaritra ireo asa amin’ny fambolen-kazo. Zava-dehibe ao anatin’izany ny famaritana mazava ireo toerana tokony hanaovana ny fambolen-kazo mba hahazoana vokatra tsara. “Jerena ao anatin’ izany fanomanana izany ny toe-tany sy ny toetr’andro ary homen-danja ny fambolena ireo hazo zanatany. Ireo no fepetra fototra hampiroboroboana ny fambolen-kazo hanatratrarana vokatra haingana”, hoy ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Niroso tamin’ny fitsirihana sy fanaovana fanadihadiana ireo toerana hanaovana ny fambolen-kazo moa ny Faritra Vakinankaratra nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo, nitohy tamin’ity herinandro ity. Velaran-tany maherin’ny 4 ha ao Ambatankazo, Kaominina ambanivohitra Anjoma Ramaritina - Distrikan’i Mandoto no isan’ireo faritra hovolena amin’ny taom-pambolen-kazo ho avy. Hiara-hiasa amin’ny fametrahana paikady sy ny fandrindrana ny asa araka izany ny Faritra Vakinankaratra sy ny foibem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy na ny DREDD_Vakinankaratra. 

Ireo hazo novokarin’ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) ao amin’ny Distrikan’ i Mandoto no hovolena ao amin’ity Faritra ity. Handray anjara amin’ny fambolen-kazo sy ny fanomanana rehetra mifandraika amin’izany ihany koa ireo Kaominina sy Fokontany manodidina ny lalam-pirenena faha-34.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés