Fantatra taorian’ny fitiliana natao azy fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 ny tenany, ka tsy maintsy hanaraka fitsaboana sy hitoka-monina aloha. Nampita io vaovao io ny teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, ary mbola nohamafisin’ity mpilalao ity koa ny olana mitambesatra aminy.
Raha ny fanazavana, natao fitiliana ity kapitenin’ny Barea ity roa andro nialoha ny lalao nifanandrinan’ny klioba misy azy sy ny Tottenham. Rehefa nivoaka ny valin’ny fitiliana tamin’io dia voamarina fa tsy mitondra ny valanaretina covid-19 ny tenany ka afaka nilalao soa aman-tsara. Nolazain’ity mpilalao ity kosa anefa fa ny marainan’ny andro hanaovana ny lalao voalaza etsy ambony no nanomboka nisy fambaran’aretina hafahafa taminy. Navesatra ny lohany, nangotsongotsoka ny vanin-taolany ary toy ireny voan’ny tazo ireny. “Nandritra io, nanahy ny tsy hahavita hilalao ny tenako ka nampandre ny klioba nisy ahy. Nihinana fanafody aho ary naka aina natory.
Azoazoko ny aiko rehefa nifoha saingy mbola henoko sarotra tamiko ny mihazakazaka sy mihetsika. Nitsangana ihany anefa aho ary nanohy ny lalao. Vita ny lalao, nangatsiaka be indray ny tenako no sady vizana be, niantso dokotera ny klioba ary nanao fitiliana izahay tamin’ny zoma teo. Fantatra taorian’izay fa voan’ny covid-19 ny tenako”, hoy ity kapiteny ity nitantara ny nanjo azy.
Araka izany, efa nanomboka tamin’ny zoma teo ny tenany no nihiboka ary mbola manohy izany hatramin’izao. Voalaza koa fa hita amin’ity kintan’ny baolina kitra malagasy ity avokoa ny fambaran’aretina covid-19 toy ny tsy hoe tsy maheno fofona, tsy mahare tsiron-tsakafo ary reraka. “Na ranomanitra ary efa manomboka tsy henoko intsony ny fofony amin’izao. Tena malahelo ny fo, fa izay ilay lahatra”, hoy hatrany ny kapiteny. Ho sarotra amin’ny ekipam-pirenena malagasy ihany araka izany ity lalao hatao amin’ny alakamisy izao ity. Ankoatra ny kapiteny mantsy dia mety misy mpilalao hafa koa mety tsy ho avy. Isan’izany i Njiva Martin Rakotoharimalala sy Ibrahim Amada.
Efa tonga any Abidjan ny Ekipa
Efa tonga tany Abidjan tamin’ny faran’ny herinandro teo kosa ny delgasiona izay notarihin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis niainga teto Madagasikara. Efa tonga, omaly, koa ny ankamaroan’ireo mpilalao na ireo niainga avy eto an-tanindrazana izany na ireo niainga avy any amin’ny klioba nilalaovany. Tonga maro nitsena ny mpanazatra Nicolas Dupuis sy ireto ekipa ireto tany an-toerana ireo Malagasy miorim-ponenana sy mila ravinahitra any Côte d’Ivoire.
Raha ny fanazavan’ny mpanazatra, avy hatrany dia hiroso amin’ny fanazaran-tena ao amin’ny kianja Ouatara ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity anio ity. Nampahatsiahy hatrany i Nicolas Dupuis fa : « Misy ny fahabangana goavana eo amin’i mpilalao noho ny Covid-19 . Mety hisy olana ihany koa eo amin’ny fahazoan-dalana », hoy ny nambarany. Teo akaikin’ny ekipam-pirenena malagasy hatrany kosa ny Fitondram-panjakana tamin’ny fikaroham-bahaolana hiatrehana ity lalao ity.
Ny Ami