Nanana olana ny tompon’ireo pejy facebook ireo satria rehefa nanokatra ny iray tamin’ireo pejy ireo izy mivady dia tsy tafasokatra izany. Noho izany dia nanao filazana izy ireo mba hahafahana mitady izay olona afaka manampy azy ireo amin’ny famahana ny olana.
Nisy naman’izy ireo nanoro mpahay informatika na « informaticien » afaka mamerina ilay pejy, ka vola mitentina fito hetsy Ariary no notakiny ho sandan’izany. Tsy nanan-tsafidy moa izy mivady fa tsy maintsy nandoa satria antoky ny fampahafantarana ny asa ataon’izy ireo sy ny orinasany ireo pejy ampiasainy ireo. Andro vitsivitsy taty aoriana ary dia taitra izy mivady fa tsy nisokatra ihany koa ireo pejy hafa ary rehefa nanatona ilay “ informaticien” indray ireto farany dia nilaza ity mpanamboatra fa mila vola roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary hahafahany mamerina ireo pejy hafa satria misy namany miara-miasa aminy any an-dafy ary izay no maha lafolafo ny asa atao.
Nanoloana izany dia nanomboka mailo izy mivady ary nanatona ny sampan-draharaha misahana ny heloka amin’ny aterineto na « Cybercriminalité ». Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ilay “informaticien” dia mbola tratra tao anaty finday nampiasainy avokoa ireo porofo rehetra nanamarina fa izy ihany no nanao ilay fidirana an-kosoka na « piratage » tamin’ireo pejy “facebook” izay ampiasain’izy mivady amin’ny asany.
Tatianà R.