Webradio

FANAFIHANA TANY MAHABO : Olona 15 lasa takalon’aina, omby 100 mahery lasan’ny dahalo

Mamaivay indray ny asan-dahalo ao anatin’ny Distrikan’i Mahabo iny. Omaly alakamisy, tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any, dahalo manodidina ny 120 lahy mahery, nirongo basy mahery vaika marobe no tonga nandravarava tao amin’ny Fokontany Antsoronanala, Kaominina Befotaka, Distrikan’i Mahabo.  13 novembre 2020

Raha ny tatitra voaray avy any an-toerana io omaly io dia omby zato mahery, niampy takalon’aina miisa 15 no lasan’ireo olon-dratsy. Olona miisa telo kosa no naratra mafy nandritra ny fifandonana, nisy ireo tapa-tongotra, voa tamin’ny lohany sy lamosiny. Noho ny hery tsy mitovy, ireo dahalo tonga nanafika ihany koa be dia be no sady nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika dia tsy afa-nanohitra loatra ny fokonolona nandritra izany. 

Taorian’ny fitsoahan’ireo mpandrava izay vao niroso tamin’ny fanarahan-dia ny mponina, nanampy tosika azy ireo ny mpitandro filaminana saingy raha ny angom-baovao voaray farany omaly teo am-panoratana ny lahatsoratra dia mbola tsy nisy tafaverina ireo takalon’aina sy ny omby very. Mbola ao anatin’ny fikarohana ny lalan’ireo dahalo izy ireo. Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao anatin’ity Distrika ity hatrany dia manaitra ny Fitondram-panjakana mahefa ny fokonolona mba hijery akaiky ny raharaha, mahatsiaro miaina ao anaty tebiteby isan’andro loatra ireto farany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés