Handeha hivoaka ilay ramatoa tamin’ny 7 ora hariva no nanao amboletra niditra ireo jiolahy, nanery azy niverina. Nitondra basy vita gasy sy antsy ireo jiolahy, ka ny sasany niditra tao an-trano, ny sasany nijanona teo ivelany. Tsy nisy nanao saron-tava izy ireo. Notereny nesorina ny firavak’ilay ramatoa sy ny kavina teny aminy. Nasain’izy ireo navoaka koa ny vola ary noraofin’izy ireo niaraka tamin’ny finday. Nasainy nihohoka tamin’ny tany ny zanak’ilay ramatoa ary nokapohiny vato ny tanany ka naratra. Rehefa lasa izy ireo vao niantso vonjy ny lasibatra.
Nihazo ny lalana mankany amin’ny faran’ny taksibe zotra fahatelo izy ireo ka nifanena tamin’ny olona nitondra jiro hanazavany ny lalany. Norahonan’izy ireo hamono ny jirony ireo olona ireo. Nisy olona hafa kosa namelona jiro ka izay no nahataitra azy ireo ary dia nandositra avy hatrany izy ireo. Mbola tsy misy tratra hatramin’izao, indrindra moa fa tsy misy olona fantatr’ireo voatafika araka ny nambaran’izy ireo ihany ireo jiolahy. Mangataka ny hametrahana poste avancé amin’io toerana ny mponina any an-toerana, miaraka amin’ireo mpamily fitateram-bahoaka amin’ny zotra fahatelo fa tena manjaka ny tsy fandriampahalemana amin’io toerana io.
Vanessa