Webradio

ASAN-DAHALO TAMIN’NY FARITRA MARO : Zandary efatra lavo am-perinasa tao anatin’ny herinandro

Nandritra ny herinandro lasa teo iny, zandary miisa efatra no namoy ny ainy vokatry ny fifandonana amin’ny asan-dahalo tamin’ny Faritra samihafa teto Madagasikara.  16 novembre 2020

Tsikaritra tokoa tato ho ato raha ny loharanom-baovao voaray matetika dia nahazo vahana izaitsizy ny fanafihan-dahalo mahery vaika nahafatesan’olona maro. Lasibatra ireo mpitandro filaminana izay tsy maintsy manatanteraka ny asany, miaro ny vahoaka sy ny fananany.

Ny herinandro lasa teo iny raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia fanafihana miisa telo be izao no niseho, ka nahalavo ireo zandary miisa efatra nandritra ny fifandonana. Anisany namoy ny ainy tamin’izany ny zandary iray Ratovoson Boromé raha toa ka nifanehitra tamin’ireo andian-dahalo nanafika tao Ankijana Bemandrona, Kaominina Marotsipoy, Distrikan’Anjozorobe, Faritra Analamanga, ny zoma 13 novambra 2020 lasa teo iny. Manoloana ny ady sarotra tsy maintsy atrehin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena momba ny tsy fandriam-pahalemana dia nanamafy izy ireo fa tsy hilavo lefona velively. Omaly alahady 15 novambra moa no tontosa ny fanaovam-beloma farany sy lanonana ara-miaramila ity zandary iray lavo ity, teny Ankadilalana Tobin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena. 

Tonga nanome voninahitra avokoa moa ireo manam-boninahitra isan-tsokajiny ka andinim-potoana miisa dimy sosona no tontosa nandritra izany dia ny fampiakarana azy ho eo amin’ny laharam-boninahitra Zandary Prainsipaly kilasy faharoa, fanolorana azy ny mari-boninahipirenena, fampahatsiahivana ny momba azy sy fanaovam-beloma farany, fanomezana lelavola folo tapitrisa Ariary avy amin’ny Fitondram-panjakana mba ho fanampiana ny vady aman-janany ary famangiana ny fianakaviany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés