Webradio

AMBATOBOENY : Ahiana hitoka-monina noho ny fahapotehan’ny lalam-pirenena faha-33 Bis

Potika tanteraka ny lalam-pirenena faha-33 Bis mampifandray an’Andranofasika sy Ambatoboeny, ankehitriny. Vokatry ny oram-be andro vitsivitsy izay dia tapaka sahady ny lalana  eo amin’ny pk-12 ao Soaniavina. 19 novembre 2020

Tsy nisy fanamboarana hatramin’izao na efa nodradradradraina mafy ny hanamboarana io lalana io, hoy ny mponina. Efa nisy ny  taratasy izay nanaraka an-tanan-tohatra amin’ny fangatahana ny hanamboarana ity lalam-pirenena ity, ary nisy fotoana efa tonga tany an-toerana ny praiminisitra saingy tsy nisy zava-bita. Mitaraina araka izany mponina izay manahy mafy amin’ny fitokana-monina ateraky ny fahatapahan-dalana raha sanatria tsy misy fanamboarana. Koa manaitra hatrany ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky sy hitondra vahaolana amin’ny fahasahiranany mponina ao Ambatoboeny. 

Mitaraina amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny praminisitra Ntsay Christian izy ireo ary manainga ny solombavambahoaka sady filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Rahantanirina Lalao sy Mokhtar Andriantomanga governoran’i Boeny, mba hanetsika ny fangatahana efa any amin’ny tompon’andraikitra. “mba ataovy sonia tompoko ny dosie mahakasika ny fanamboarana lalana Ambatoboeny 18 km fa dia hitokamonina tanteraka izahay Ambatoboeny amin’ity taona ity raha tsy vita io lalana io ary efa tonga tany aminareo ny taratasy fa nampalahelo anay dia niverina tsy vita sonia ilay dosie”, hoy hatrany izy ireo.  

Ampio tosika tompoko ny fangatahana ataon’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny vahoaka ao Ambatoboeny.  Manao antso avo ihany koa amin’ireo rehetra zanaka Ambatoboeny tsy an-kanavaka hatramin’ireo any any ampitan-dranomasina ireo mponina mba hanohana ny fangatahana ataon’i Jeannot Fernand Solombavambahoaka sy Jean Valérien Rakoto Ben’ny tanàna. Tsy fotoan’ny ady sy loko politika tsy mitovy intsony izao fa andao hatambatsika ny hery ho an’ ity tanàna malala ntsika ity, hoy hatrany izy ireo.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés