Webradio

OLOM-BOAFIDY TIM : Hoterena hanaraka ny baikon-dRavalomanana Marc ?

Mitohy ny amboletra sy ny fomba ratsy. Rehefa tsy nahita rariny tamin’ny fitaomana olona hikomy tany amin’ireo Faritra rehetra notsidihiny ireo Parlemantera Tim, iraky Ravalomanana hitarika korontana isam-paritra dia nitodi-doha moramora nakao Bel’air indray, omaly.  19 novembre 2020

Nisy fivoriana sy fikaonan-doha nataony teny an-toerana. Votoatin’ny fihaonana nandritra io ny fandrefesana ny tanjaky ny antoko “resy lava”, ny fifehezana ireo olom-boafidy lany tamin’ny alalan’ity antoko ity tsy hiara-hiasa amin’ny Fanjakana sy hanaraka ny baikon’ny mpitarika azy. Na tsy holazaina mivantana eto aza, efa mazava sy “vakiana fotsiny” ny tanjon’ny mpitarika ity antoko ity izay tsy iza fa Ravalomanana.

Ataon-dRavalomanana sy heveriny ho toy ny saribakoly ankehitriny ny olom-boafidy Tim, ampiasaina hikononkonona korontana ary terena an-kolaka na terena mivantana mihitsy aza hanaraka izay lazainy. Afenina ao anatin’ny hoe : “Lalàna mifehy ny antoko” sy ny hoe “« honnêteté intellectuelle  » ireo rehetra ireo. Ireto farany ireto no nohizingizinin-dRavalomanana, omaly. Toy ireny mpanjaka kely ireny mihitsy ity farany nibedy sy namatrapatratra ireo ben’ny tanàna sy solombavambahoaka Tim niara-niasa tamin’ny Fitondram-panjakana. 

Raha ny tiany izany, tsy asiana tetikasa mandeha na iray aza any amin’ireo Faritra vitsy misy olom-boafidy Tim, ampikatsoina tanteraka ny fampandehanan-draharaham-panjakana hahatonga ny olona hikomy. Tsy hisy vahoaka hanaiky an’izany intsony anefa. Kirin’antitra ny azy no betsaka ary ny “halako bika tsy tiako tarehy” no mameno ny fony.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés