Webradio

AMBILOBE : Nifamely totohondry ny depiote sy Sekretera jeneralin’ny kaominina

Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny solombavambahoakan’ Ambilobe sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina any an-toerana. 19 novembre 2020

Araka ny fampitam-baovao marim-pototra avy ao Ambilobe dia noho ny resaka fanesorana ireo mpivarotra amin’ny fanamboarana ireo lakan-drano no nampifanolana ireo tompon’andraikitra roa ireo.

Araka ny vaovao voaray hatrany dia nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC tao Ambilobe, ny talata 17 novambra teo dia niafara tamin’ny ady totohondry teo imasom-bahoaka ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ny depiote voafidy tao Ambilobe sy ny tompon’andraikitry ny kaominina ity.

Araka ny fantatra hatrany dia misy ny manely tsaho ao Ambilobe fa misy hamarotra ilay toerana misy ireo mpivarotra esorina ireo ka nahatonga ireto farany nidrinkina tsy mety hiala ary nametraka fitarainana tamin’ ny solombavambahoaka mba hiaro azy ireo. Voalaza fa noho izany no nahatonga ny fifampikasihan-tanana teo amin’ny manam-pahefana roa ireto. Niezaka ny nanasaraka azy ireo ny tompon’andraikitra ny filaminana niara-nivory nandritra izany, nefa tsy voatana ka tafavoaka ivelan’ny birao nanatanterahana ny fivoriana. Tavela resabe ao an-tampon-tanànan’Ambilobe ny tranga misy ka andrasana araka izany izay mety ho tohiny.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés