Mpianatra ao amin’ny Sekoly “SEKINA” eny Androndrakely no fantatra fa mpanjifa an’ireo zava-mahadomelina ireo, manakaiky ny faritra misy ny sekoly ihany koa ny toeram-pivarotana. Hany ka roboka manjifa tokoa ireo ankizy. Nidina ifotony teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana nijery ifotony ny raharaha rehefa nahazo fitarainana ka voasambotra tao ireto roa lahy tompon’ antoka tamin’izany.
Nandritra ny fisavana dia mbola nahitana rongony telo fonosana sy toaka gasy dimy litatra tao amin’izy ireo. Voararan’ ny lalàna tanteraka ny asa ratsy vitan’ireto roa lahy, indrindra moa fa ireo mpianatra mihitsy no namarotany ireo rongony sy toaka ireo. Taorian’ny fanadihadiana sy niakarana fampanoavana ary efa naiditra am-ponja avy hatrany eny Antanimora ireto farany amin’izao fotoana izao.
Tatianà R.